1Then verily the first covenant had also ordinances of divine service, and a worldly sanctuary.
1Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny etỳ an-tany.
2For there was a tabernacle made; the first, wherein was the candlestick, and the table, and the shewbread; which is called the sanctuary.
2Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
3And after the second veil, the tabernacle which is called the Holiest of all;
3Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra,"
4Which had the golden censer, and the ark of the covenant overlaid round about with gold, wherein was the golden pot that had manna, and Aaron's rod that budded, and the tables of the covenant;
4izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; [ Na: alitara]
5And over it the cherubims of glory shadowing the mercyseat; of which we cannot now speak particularly.
5ary teo ambonin'io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
6Now when these things were thus ordained, the priests went always into the first tabernacle, accomplishing the service of God.
6Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin'ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
7But into the second went the high priest alone once every year, not without blood, which he offered for himself, and for the errors of the people:
7Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana;
8The Holy Ghost this signifying, that the way into the holiest of all was not yet made manifest, while as the first tabernacle was yet standing:
8koa izany no anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin'ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
9Which was a figure for the time then present, in which were offered both gifts and sacrifices, that could not make him that did the service perfect, as pertaining to the conscience;
9fanoharana izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana
10Which stood only in meats and drinks, and divers washings, and carnal ordinances, imposed on them until the time of reformation.
10(fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
11But Christ being come an high priest of good things to come, by a greater and more perfect tabernacle, not made with hands, that is to say, not of this building;
11Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,
12Neither by the blood of goats and calves, but by his own blood he entered in once into the holy place, having obtained eternal redemption for us.
12ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.
13For if the blood of bulls and of goats, and the ashes of an heifer sprinkling the unclean, sanctifieth to the purifying of the flesh:
13Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo,
14How much more shall the blood of Christ, who through the eternal Spirit offered himself without spot to God, purge your conscience from dead works to serve the living God?
14mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
15And for this cause he is the mediator of the new testament, that by means of death, for the redemption of the transgressions that were under the first testament, they which are called might receive the promise of eternal inheritance.
15Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
16For where a testament is, there must also of necessity be the death of the testator.
16Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. [ Na: fanekena]
17For a testament is of force after men are dead: otherwise it is of no strength at all while the testator liveth.
17Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy. [ Na: fanekena]
18Whereupon neither the first testament was dedicated without blood.
18Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
19For when Moses had spoken every precept to all the people according to the law, he took the blood of calves and of goats, with water, and scarlet wool, and hyssop, and sprinkled both the book, and all the people,
19Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
20Saying, This is the blood of the testament which God hath enjoined unto you.
20dia hoy izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8).
21Moreover he sprinkled with blood both the tabernacle, and all the vessels of the ministry.
21Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
22And almost all things are by the law purged with blood; and without shedding of blood is no remission.
22Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
23It was therefore necessary that the patterns of things in the heavens should be purified with these; but the heavenly things themselves with better sacrifices than these.
23Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
24For Christ is not entered into the holy places made with hands, which are the figures of the true; but into heaven itself, now to appear in the presence of God for us:
24Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25Nor yet that he should offer himself often, as the high priest entereth into the holy place every year with blood of others;
25ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
26For then must he often have suffered since the foundation of the world: but now once in the end of the world hath he appeared to put away sin by the sacrifice of himself.
26fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.
27And as it is appointed unto men once to die, but after this the judgment:
27Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
28So Christ was once offered to bear the sins of many; and unto them that look for him shall he appear the second time without sin unto salvation.
28dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.