1And the LORD spake unto Moses, saying,
1[Ny fanatitra noho ny ota] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Speak unto the children of Israel, saying, If a soul shall sin through ignorance against any of the commandments of the LORD concerning things which ought not to be done, and shall do against any of them:
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:
3If the priest that is anointed do sin according to the sin of the people; then let him bring for his sin, which he hath sinned, a young bullock without blemish unto the LORD for a sin offering.
3raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.
4And he shall bring the bullock unto the door of the tabernacle of the congregation before the LORD; and shall lay his hand upon the bullock's head, and kill the bullock before the LORD.
4Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah.
5And the priest that is anointed shall take of the bullock's blood, and bring it to the tabernacle of the congregation:
5Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana;
6And the priest shall dip his finger in the blood, and sprinkle of the blood seven times before the LORD, before the vail of the sanctuary.
6ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny efitra lamba ao amin'ny fitoerana masina;
7And the priest shall put some of the blood upon the horns of the altar of sweet incense before the LORD, which is in the tabernacle of the congregation; and shall pour all the blood of the bullock at the bottom of the altar of the burnt offering, which is at the door of the tabernacle of the congregation.
7ary hotentenan'ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah, izay ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin'ny vantotr'ombilahy dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
8And he shall take off from it all the fat of the bullock for the sin offering; the fat that covereth the inwards, and all the fat that is upon the inwards,
8Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin'ny vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
9And the two kidneys, and the fat that is upon them, which is by the flanks, and the caul above the liver, with the kidneys, it shall he take away,
9ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;'hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany,
10As it was taken off from the bullock of the sacrifice of peace offerings: and the priest shall burn them upon the altar of the burnt offering.
10tahaka ny fanalana azy amin'ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
11And the skin of the bullock, and all his flesh, with his head, and with his legs, and his inwards, and his dung,
11Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,
12Even the whole bullock shall he carry forth without the camp unto a clean place, where the ashes are poured out, and burn him on the wood with fire: where the ashes are poured out shall he be burnt.
12dia ny tenan'ny vantotr'ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho amin'izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny kitay amin'ny afo izy; eo amin'ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
13And if the whole congregation of Israel sin through ignorance, and the thing be hid from the eyes of the assembly, and they have done somewhat against any of the commandments of the LORD concerning things which should not be done, and are guilty;
13Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
14When the sin, which they have sinned against it, is known, then the congregation shall offer a young bullock for the sin, and bring him before the tabernacle of the congregation.
14rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
15And the elders of the congregation shall lay their hands upon the head of the bullock before the LORD: and the bullock shall be killed before the LORD.
15Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah.
16And the priest that is anointed shall bring of the bullock's blood to the tabernacle of the congregation:
16Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana,
17And the priest shall dip his finger in some of the blood, and sprinkle it seven times before the LORD, even before the vail.
17ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba.
18And he shall put some of the blood upon the horns of the altar which is before the LORD, that is in the tabernacle of the congregation, and shall pour out all the blood at the bottom of the altar of the burnt offering, which is at the door of the tabernacle of the congregation.
18Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.
19And he shall take all his fat from him, and burn it upon the altar.
19Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara.
20And he shall do with the bullock as he did with the bullock for a sin offering, so shall he do with this: and the priest shall make an atonement for them, and it shall be forgiven them.
20Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony.
21And he shall carry forth the bullock without the camp, and burn him as he burned the first bullock: it is a sin offering for the congregation.
21Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.
22When a ruler hath sinned, and done somewhat through ignorance against any of the commandments of the LORD his God concerning things which should not be done, and is guilty;
22Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah Andriamaniny amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
23Or if his sin, wherein he hath sinned, come to his knowledge; he shall bring his offering, a kid of the goats, a male without blemish:
23ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;
24And he shall lay his hand upon the head of the goat, and kill it in the place where they kill the burnt offering before the LORD: it is a sin offering.
24ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
25And the priest shall take of the blood of the sin offering with his finger, and put it upon the horns of the altar of burnt offering, and shall pour out his blood at the bottom of the altar of burnt offering.
25Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
26And he shall burn all his fat upon the altar, as the fat of the sacrifice of peace offerings: and the priest shall make an atonement for him as concerning his sin, and it shall be forgiven him.
26ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
27And if any one of the common people sin through ignorance, while he doeth somewhat against any of the commandments of the LORD concerning things which ought not to be done, and be guilty;
27Ary raha misy amin'ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
28Or if his sin, which he hath sinned, come to his knowledge: then he shall bring his offering, a kid of the goats, a female without blemish, for his sin which he hath sinned.
28ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho'ny fahotany izay nataony.
29And he shall lay his hand upon the head of the sin offering, and slay the sin offering in the place of the burnt offering.
29Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra dorana.
30And the priest shall take of the blood thereof with his finger, and put it upon the horns of the altar of burnt offering, and shall pour out all the blood thereof at the bottom of the altar.
30Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
31And he shall take away all the fat thereof, as the fat is taken away from off the sacrifice of peace offerings; and the priest shall burn it upon the altar for a sweet savor unto the LORD; and the priest shall make an atonement for him, and it shall be forgiven him.
31Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.
32And if he bring a lamb for a sin offering, he shall bring it a female without blemish.
32Ary raha zanak'ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
33And he shall lay his hand upon the head of the sin offering, and slay it for a sin offering in the place where they kill the burnt offering.
33ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana.
34And the priest shall take of the blood of the sin offering with his finger, and put it upon the horns of the altar of burnt offering, and shall pour out all the blood thereof at the bottom of the altar:
34Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
35And he shall take away all the fat thereof, as the fat of the lamb is taken away from the sacrifice of the peace offerings; and the priest shall burn them upon the altar, according to the offerings made by fire unto the LORD: and the priest shall make an atonement for his sin that he hath committed, and it shall be forgiven him.
35Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.