1Then came the children of Israel, even the whole congregation, into the desert of Zin in the first month: and the people abode in Kadesh; and Miriam died there, and was buried there.
1[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tao Kadesy, sy ny nahadiso an'i Mosesy sy Arona tamin'izy nampivoaka rano avy tamin'ny vatolampy] Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
2And there was no water for the congregation: and they gathered themselves together against Moses and against Aaron.
2Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
3And the people chode with Moses, and spake, saying, Would God that we had died when our brethren died before the LORD!
3Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!
4And why have ye brought up the congregation of the LORD into this wilderness, that we and our cattle should die there?
4Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
5And wherefore have ye made us to come up out of Egypt, to bring us in unto this evil place? it is no place of seed, or of figs, or of vines, or of pomegranates; neither is there any water to drink.
5Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
6And Moses and Aaron went from the presence of the assembly unto the door of the tabernacle of the congregation, and they fell upon their faces: and the glory of the LORD appeared unto them.
6Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.
7And the LORD spake unto Moses, saying,
7Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
8Take the rod, and gather thou the assembly together, thou, and Aaron thy brother, and speak ye unto the rock before their eyes; and it shall give forth his water, and thou shalt bring forth to them water out of the rock: so thou shalt give the congregation and their beasts drink.
8Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
9And Moses took the rod from before the LORD, as he commanded him.
9Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
10And Moses and Aaron gathered the congregation together before the rock, and he said unto them, Hear now, ye rebels; must we fetch you water out of this rock?
10Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
11And Moses lifted up his hand, and with his rod he smote the rock twice: and the water came out abundantly, and the congregation drank, and their beasts also.
11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
12And the LORD spake unto Moses and Aaron, Because ye believed me not, to sanctify me in the eyes of the children of Israel, therefore ye shall not bring this congregation into the land which I have given them.
12Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy ianareo.
13This is the water of Meribah; because the children of Israel strove with the LORD, and he was sanctified in them.
13Ity no ranon'i Meriba, izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy.
14And Moses sent messengers from Kadesh unto the king of Edom, Thus saith thy brother Israel, Thou knowest all the travail that hath befallen us:
14[Ny teny nampitondrain'ny Isiraely tamin'ny mpanjakan'i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
15How our fathers went down into Egypt, and we have dwelt in Egypt a long time; and the Egyptians vexed us, and our fathers:
15dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
16And when we cried unto the LORD, he heard our voice, and sent an angel, and hath brought us forth out of Egypt: and, behold, we are in Kadesh, a city in the uttermost of thy border:
16ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay;
17Let us pass, I pray thee, through thy country: we will not pass through the fields, or through the vineyards, neither will we drink of the water of the wells: we will go by the king's high way, we will not turn to the right hand nor to the left, until we have passed thy borders.
17koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
18And Edom said unto him, Thou shalt not pass by me, lest I come out against thee with the sword.
18Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.
19And the children of Israel said unto him, We will go by the high way: and if I and my cattle drink of thy water, then I will pay for it: I will only, without doing anything else, go through on my feet.
19Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
20And he said, Thou shalt not go through. And Edom came out against him with much people, and with a strong hand.
20Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
21Thus Edom refused to give Israel passage through his border: wherefore Israel turned away from him.
21Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely.
22And the children of Israel, even the whole congregation, journeyed from Kadesh, and came unto mount Hor.
22Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
23And the LORD spake unto Moses and Aaron in mount Hor, by the coast of the land of Edom, saying,
23Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:
24Aaron shall be gathered unto his people: for he shall not enter into the land which I have given unto the children of Israel, because ye rebelled against my word at the water of Meribah.
24Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.
25Take Aaron and Eleazar his son, and bring them up unto mount Hor:
25Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
26And strip Aaron of his garments, and put them upon Eleazar his son: and Aaron shall be gathered unto his people, and shall die there.
26dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao.
27And Moses did as the LORD commanded: and they went up into mount Hor in the sight of all the congregation.
27Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
28And Moses stripped Aaron of his garments, and put them upon Eleazar his son; and Aaron died there in the top of the mount: and Moses and Eleazar came down from the mount.
28Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.
29And when all the congregation saw that Aaron was dead, they mourned for Aaron thirty days, even all the house of Israel.
29Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.