1And the LORD spake unto Moses, saying,
1[Lalàna ny amin'ny famoahana izay misy fahalotoana ho any ivelan'ny toby] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Command the children of Israel, that they put out of the camp every leper, and every one that hath an issue, and whosoever is defiled by the dead:
2Mandidia ny Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;
3Both male and female shall ye put out, without the camp shall ye put them; that they defile not their camps, in the midst whereof I dwell.
3na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
4And the children of Israel did so, and put them out without the camp: as the LORD spake unto Moses, so did the children of Israel.
4Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
5And the LORD spake unto Moses, saying,
5[Ny amin'ny fanonerana, raha misy manao izay mahadiso] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6Speak unto the children of Israel, When a man or woman shall commit any sin that men commit, to do a trespass against the LORD, and that person be guilty;
6Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,
7Then they shall confess their sin which they have done: and he shall recompense his trespass with the principal thereof, and add unto it the fifth part thereof, and give it unto him against whom he hath trespassed.
7dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany diso.
8But if the man have no kinsman to recompense the trespass unto, let the trespass be recompensed unto the LORD, even to the priest; beside the ram of the atonement, whereby an atonement shall be made for him.
8Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
9And every offering of all the holy things of the children of Israel, which they bring unto the priest, shall be his.
9Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
10And every man's hallowed things shall be his: whatsoever any man giveth the priest, it shall be his.
10Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
11And the LORD spake unto Moses, saying,
11[Ny lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ahiahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12Speak unto the children of Israel, and say unto them, If any man's wife go aside, and commit a trespass against him,
12Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,
13And a man lie with her carnally, and it be hid from the eyes of her husband, and be kept close, and she be defiled, and there be no witness against her, neither she be taken with the manner;
13fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
14And the spirit of jealousy come upon him, and he be jealous of his wife, and she be defiled: or if the spirit of jealousy come upon him, and he be jealous of his wife, and she be not defiled:
14kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
15Then shall the man bring his wife unto the priest, and he shall bring her offering for her, the tenth part of an ephah of barley meal; he shall pour no oil upon it, nor put frankincense thereon; for it is an offering of jealousy, an offering of memorial, bringing iniquity to remembrance.
15dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
16And the priest shall bring her near, and set her before the LORD:
16Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;
17And the priest shall take holy water in an earthen vessel; and of the dust that is in the floor of the tabernacle the priest shall take, and put it into the water:
17dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;
18And the priest shall set the woman before the LORD, and uncover the woman's head, and put the offering of memorial in her hands, which is the jealousy offering: and the priest shall have in his hand the bitter water that causeth the curse:
18ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
19And the priest shall charge her by an oath, and say unto the woman, If no man have lain with thee, and if thou hast not gone aside to uncleanness with another instead of thy husband, be thou free from this bitter water that causeth the curse:
19dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
20But if thou hast gone aside to another instead of thy husband, and if thou be defiled, and some man have lain with thee beside thine husband:
20fa raha nivily niala tamin'ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
21Then the priest shall charge the woman with an oath of cursing, and the priest shall say unto the woman, The LORD make thee a curse and an oath among thy people, when the LORD doth make thy thigh to rot, and thy belly to swell;
21dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
22And this water that causeth the curse shall go into thy bowels, to make thy belly to swell, and thy thigh to rot: And the woman shall say, Amen, amen.
22ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
23And the priest shall write these curses in a book, and he shall blot them out with the bitter water:
23Ary hosoratan'ny mpisorona amin'ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin'ny rano mangidy ny soratra;
24And he shall cause the woman to drink the bitter water that causeth the curse: and the water that causeth the curse shall enter into her, and become bitter.
24dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
25Then the priest shall take the jealousy offering out of the woman's hand, and shall wave the offering before the LORD, and offer it upon the altar:
25Dia halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
26And the priest shall take an handful of the offering, even the memorial thereof, and burn it upon the altar, and afterward shall cause the woman to drink the water.
26Dia horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
27And when he hath made her to drink the water, then it shall come to pass, that, if she be defiled, and have done trespass against her husband, that the water that causeth the curse shall enter into her, and become bitter, and her belly shall swell, and her thigh shall rot: and the woman shall be a curse among her people.
27Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny fireneny ravehivavy.
28And if the woman be not defiled, but be clean; then she shall be free, and shall conceive seed.
28Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka.
29This is the law of jealousies, when a wife goeth aside to another instead of her husband, and is defiled;
29Izany no lalàna ny amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka voaloto;
30Or when the spirit of jealousy cometh upon him, and he be jealous over his wife, and shall set the woman before the LORD, and the priest shall execute upon her all this law.
30na misy lehilahy azon'ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
31Then shall the man be guiltless from iniquity, and this woman shall bear her iniquity.
31Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.