1Paul, a prisoner of Jesus Christ, and Timothy our brother, unto Philemon our dearly beloved, and fellowlabourer,
1[Fiarahabana an'i Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
2And to our beloved Apphia, and Archippus our fellowsoldier, and to the church in thy house:
2ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
3Grace to you, and peace, from God our Father and the Lord Jesus Christ.
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4I thank my God, making mention of thee always in my prayers,
4Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,
5Hearing of thy love and faith, which thou hast toward the Lord Jesus, and toward all saints;
5satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [ Na: ny finoanao]
6That the communication of thy faith may become effectual by the acknowledging of every good thing which is in you in Christ Jesus.
6mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
7For we have great joy and consolation in thy love, because the bowels of the saints are refreshed by thee, brother.
7Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.
8Wherefore, though I might be much bold in Christ to enjoin thee that which is convenient,
8Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,
9Yet for love's sake I rather beseech thee, being such an one as Paul the aged, and now also a prisoner of Jesus Christ.
9nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [ Na: ambasadôra]
10I beseech thee for my son Onesimus, whom I have begotten in my bonds:
10Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy, [ Onesimosy = Mahasoa]
11Which in time past was to thee unprofitable, but now profitable to thee and to me:
11ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
12Whom I have sent again: thou therefore receive him, that is, mine own bowels:
12izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;
13Whom I would have retained with me, that in thy stead he might have ministered unto me in the bonds of the gospel:
13saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;
14But without thy mind would I do nothing; that thy benefit should not be as it were of necessity, but willingly.
14nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.
15For perhaps he therefore departed for a season, that thou shouldest receive him for ever;
15Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
16Not now as a servant, but above a servant, a brother beloved, specially to me, but how much more unto thee, both in the flesh, and in the Lord?
16tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.
17If thou count me therefore a partner, receive him as myself.
17Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
18If he hath wronged thee, or oweth thee ought, put that on mine account;
18Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19I Paul have written it with mine own hand, I will repay it: albeit I do not say to thee how thou owest unto me even thine own self besides.
19izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
20Yea, brother, let me have joy of thee in the Lord: refresh my bowels in the Lord.
20Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.
21Having confidence in thy obedience I wrote unto thee, knowing that thou wilt also do more than I say.
21Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
22But withal prepare me also a lodging: for I trust that through your prayers I shall be given unto you.
22Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
23There salute thee Epaphras, my fellowprisoner in Christ Jesus;
23Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,
24Marcus, Aristarchus, Demas, Lucas, my fellowlabourers.
24sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
25The grace of our Lord Jesus Christ be with your spirit. Amen.
25Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.