1He, that being often reproved hardeneth his neck, shall suddenly be destroyed, and that without remedy.
1Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
2When the righteous are in authority, the people rejoice: but when the wicked beareth rule, the people mourn.
2Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
3Whoso loveth wisdom rejoiceth his father: but he that keepeth company with harlots spendeth his substance.
3Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
4The king by judgment establisheth the land: but he that receiveth gifts overthroweth it.
4Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.[Na: mampandoa harena]
5A man that flattereth his neighbour spreadeth a net for his feet.
5Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
6In the transgression of an evil man there is a snare: but the righteous doth sing and rejoice.
6Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
7The righteous considereth the cause of the poor: but the wicked regardeth not to know it.
7Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
8Scornful men bring a city into a snare: but wise men turn away wrath.
8Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.[Heb. mampirehitra]
9If a wise man contendeth with a foolish man, whether he rage or laugh, there is no rest.
9Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.[Na: Raha hendry miady amin'adala, na tezitra izy, na mihomehy, dia tsy misy fitsaharana]
10The bloodthirsty hate the upright: but the just seek his soul.
10Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy]
11A fool uttereth all his mind: but a wise man keepeth it in till afterwards.
11Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
12If a ruler hearken to lies, all his servants are wicked.
12Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
13The poor and the deceitful man meet together: the LORD lighteneth both their eyes.
13Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.[Na: mpampanana vola]
14The king that faithfully judgeth the poor, his throne shall be established for ever.
14Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
15The rod and reproof give wisdom: but a child left to himself bringeth his mother to shame.
15Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
16When the wicked are multiplied, transgression increaseth: but the righteous shall see their fall.
16Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
17Correct thy son, and he shall give thee rest; yea, he shall give delight unto thy soul.
17Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.
18Where there is no vision, the people perish: but he that keepeth the law, happy is he.
18Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
19A servant will not be corrected by words: for though he understand he will not answer.
19Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.[Heb. tsy misy valiny]
20Seest thou a man that is hasty in his words? there is more hope of a fool than of him.
20Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
21He that delicately bringeth up his servant from a child shall have him become his son at the length.
21Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
22An angry man stirreth up strife, and a furious man aboundeth in transgression.
22Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
23A man's pride shall bring him low: but honour shall uphold the humble in spirit.
23Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
24Whoso is partner with a thief hateth his own soul: he heareth cursing, and bewrayeth it not.
24Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
25The fear of man bringeth a snare: but whoso putteth his trust in the LORD shall be safe.
25Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.[Heb. hatao amin'ny avo]
26Many seek the ruler's favour; but every man's judgment cometh from the LORD.
26Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.[Heb. mitady ny tavan']Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
27An unjust man is an abomination to the just: and he that is upright in the way is abomination to the wicked.
27Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.