1My son, forget not my law; but let thine heart keep my commandments:
1[Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
2For length of days, and long life, and peace, shall they add to thee.
2Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
3Let not mercy and truth forsake thee: bind them about thy neck; write them upon the table of thine heart:
3Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
4So shalt thou find favour and good understanding in the sight of God and man.
4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
5Trust in the LORD with all thine heart; and lean not unto thine own understanding.
5Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
6In all thy ways acknowledge him, and he shall direct thy paths.
6Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
7Be not wise in thine own eyes: fear the LORD, and depart from evil.
7Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
8It shall be health to thy navel, and marrow to thy bones.
8Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
9Honour the LORD with thy substance, and with the firstfruits of all thine increase:
9Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;
10So shall thy barns be filled with plenty, and thy presses shall burst out with new wine.
10Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.
11My son, despise not the chastening of the LORD; neither be weary of his correction:
11Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
12For whom the LORD loveth he correcteth; even as a father the son in whom he delighteth.
12Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
13Happy is the man that findeth wisdom, and the man that getteth understanding.
13[Ny fahasambaran'izay olona mahita fahendrena] Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
14For the merchandise of it is better than the merchandise of silver, and the gain thereof than fine gold.
14Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
15She is more precious than rubies: and all the things thou canst desire are not to be compared unto her.
15Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
16Length of days is in her right hand; and in her left hand riches and honour.
16Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
17Her ways are ways of pleasantness, and all her paths are peace.
17Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
18She is a tree of life to them that lay hold upon her: and happy is every one that retaineth her.
18Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
19The LORD by wisdom hath founded the earth; by understanding hath he established the heavens.
19Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20By his knowledge the depths are broken up, and the clouds drop down the dew.
20Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.
21My son, let not them depart from thine eyes: keep sound wisdom and discretion:
21Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
22So shall they be life unto thy soul, and grace to thy neck.
22Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
23Then shalt thou walk in thy way safely, and thy foot shall not stumble.
23Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
24When thou liest down, thou shalt not be afraid: yea, thou shalt lie down, and thy sleep shall be sweet.
24Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
25Be not afraid of sudden fear, neither of the desolation of the wicked, when it cometh.
25Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; [Na: ny fandringanana avy amin'ny]
26For the LORD shall be thy confidence, and shall keep thy foot from being taken.
26Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
27Withhold not good from them to whom it is due, when it is in the power of thine hand to do it.
27[Famporisihana hanao soa amin'olona sy hanao ny marina] Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;
28Say not unto thy neighbour, Go, and come again, and to morrow I will give; when thou hast it by thee.
28Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
29Devise not evil against thy neighbour, seeing he dwelleth securely by thee.
29Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
30Strive not with a man without cause, if he have done thee no harm.
30Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31Envy thou not the oppressor, and choose none of his ways.
31Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
32For the froward is abomination to the LORD: but his secret is with the righteous.
32Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
33The curse of the LORD is in the house of the wicked: but he blesseth the habitation of the just.
33Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.
34Surely he scorneth the scorners: but he giveth grace unto the lowly.
34Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
35The wise shall inherit glory: but shame shall be the promotion of fools.
35Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.