1When Israel went out of Egypt, the house of Jacob from a people of strange language;
1[Ny horohoron'ny tany aman-danitra tamin'ny nanavotan'Andriamanitra ny olony tany Egypta] Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny firenena hafa fiteny,
2Judah was his sanctuary, and Israel his dominion.
2Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.
3The sea saw it, and fled: Jordan was driven back.
3Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
4The mountains skipped like rams, and the little hills like lambs.
4Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
5What ailed thee, O thou sea, that thou fleddest? thou Jordan, that thou wast driven back?
5Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?
6Ye mountains, that ye skipped like rams; and ye little hills, like lambs?
6Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak'ondry?
7Tremble, thou earth, at the presence of the Lord, at the presence of the God of Jacob;
7Mihorohoroa eo anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
8Which turned the rock into a standing water, the flint into a fountain of waters.
8Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.