1Help, LORD; for the godly man ceaseth; for the faithful fail from among the children of men.
1[Fitarainana noho ny tsi-fahamarinan'ny maro] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.
2They speak vanity every one with his neighbour: with flattering lips and with a double heart do they speak.
2Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
3The LORD shall cut off all flattering lips, and the tongue that speaketh proud things:
3Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
4Who have said, With our tongue will we prevail; our lips are our own: who is lord over us?
4Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
5For the oppression of the poor, for the sighing of the needy, now will I arise, saith the LORD; I will set him in safety from him that puffeth at him.
5Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany. [Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy]
6The words of the LORD are pure words: as silver tried in a furnace of earth, purified seven times.
6Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.
7Thou shalt keep them, O LORD, thou shalt preserve them from this generation for ever.
7Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
8The wicked walk on every side, when the vilest men are exalted.
8Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.