1Except the LORD build the house, they labour in vain that build it: except the LORD keep the city, the watchman waketh but in vain.
1[Ny fahatsinontsinon'ny ataon'ny olona, raha tsy ambinin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2It is vain for you to rise up early, to sit up late, to eat the bread of sorrows: for so he giveth his beloved sleep.
2Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.
3Lo, children are an heritage of the LORD: and the fruit of the womb is his reward.
3Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.
4As arrows are in the hand of a mighty man; so are children of the youth.
4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.
5Happy is the man that hath his quiver full of them: they shall not be ashamed, but they shall speak with the enemies in the gate.
5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.