King James Version

Malagasy

Psalms

15

1Lord, who shall abide in thy tabernacle? who shall dwell in thy holy hill?
1[Ny toetry ny olona izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?
2He that walketh uprightly, and worketh righteousness, and speaketh the truth in his heart.
2Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
3He that backbiteth not with his tongue, nor doeth evil to his neighbour, nor taketh up a reproach against his neighbour.
3Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
4In whose eyes a vile person is contemned; but he honoureth them that fear the LORD. He that sweareth to his own hurt, and changeth not.
4Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena]Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
5He that putteth not out his money to usury, nor taketh reward against the innocent. He that doeth these things shall never be moved.
5Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.