1I will love thee, O LORD, my strength.
1[Fitantaran'i Davida ny namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
2The LORD is my rock, and my fortress, and my deliverer; my God, my strength, in whom I will trust; my buckler, and the horn of my salvation, and my high tower.
2Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
3I will call upon the LORD, who is worthy to be praised: so shall I be saved from mine enemies.
3Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
4The sorrows of death compassed me, and the floods of ungodly men made me afraid.
4Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
5The sorrows of hell compassed me about: the snares of death prevented me.
5Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola]
6In my distress I called upon the LORD, and cried unto my God: he heard my voice out of his temple, and my cry came before him, even into his ears.
6Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
7Then the earth shook and trembled; the foundations also of the hills moved and were shaken, because he was wroth.
7Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
8There went up a smoke out of his nostrils, and fire out of his mouth devoured: coals were kindled by it.
8Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
9He bowed the heavens also, and came down: and darkness was under his feet.
9Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
10And he rode upon a cherub, and did fly: yea, he did fly upon the wings of the wind.
10Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.
11He made darkness his secret place; his pavilion round about him were dark waters and thick clouds of the skies.
11Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.[Heb: aizin-drano]
12At the brightness that was before him his thick clouds passed, hail stones and coals of fire.
12Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
13The LORD also thundered in the heavens, and the Highest gave his voice; hail stones and coals of fire.
13Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
14Yea, he sent out his arrows, and scattered them; and he shot out lightnings, and discomfited them.
14Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
15Then the channels of waters were seen, and the foundations of the world were discovered at thy rebuke, O LORD, at the blast of the breath of thy nostrils.
15Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.
16He sent from above, he took me, he drew me out of many waters.
16Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;
17He delivered me from my strong enemy, and from them which hated me: for they were too strong for me.
17Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
18They prevented me in the day of my calamity: but the LORD was my stay.
18Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
19He brought me forth also into a large place; he delivered me, because he delighted in me.
19Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
20The LORD rewarded me according to my righteousness; according to the cleanness of my hands hath he recompensed me.
20Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
21For I have kept the ways of the LORD, and have not wickedly departed from my God.
21Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
22For all his judgments were before me, and I did not put away his statutes from me.
22Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
23I was also upright before him, and I kept myself from mine iniquity.
23Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
24Therefore hath the LORD recompensed me according to my righteousness, according to the cleanness of my hands in his eyesight.
24Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.
25With the merciful thou wilt shew thyself merciful; with an upright man thou wilt shew thyself upright;
25Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
26With the pure thou wilt shew thyself pure; and with the froward thou wilt shew thyself froward.
26Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. [Heb: miolakolaka]
27For thou wilt save the afflicted people; but wilt bring down high looks.
27Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
28For thou wilt light my candle: the LORD my God will enlighten my darkness.
28Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
29For by thee I have run through a troop; and by my God have I leaped over a wall.
29Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
30As for God, his way is perfect: the word of the LORD is tried: he is a buckler to all those that trust in him.
30Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
31For who is God save the LORD? or who is a rock save our God?
31Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
32It is God that girdeth me with strength, and maketh my way perfect.
32Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
33He maketh my feet like hinds' feet, and setteth me upon my high places.
33Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.
34He teacheth my hands to war, so that a bow of steel is broken by mine arms.
34Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
35Thou hast also given me the shield of thy salvation: and thy right hand hath holden me up, and thy gentleness hath made me great.
35Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
36Thou hast enlarged my steps under me, that my feet did not slip.
36Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
37I have pursued mine enemies, and overtaken them: neither did I turn again till they were consumed.
37Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
38I have wounded them that they were not able to rise: they are fallen under my feet.
38Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
39For thou hast girded me with strength unto the battle: thou hast subdued under me those that rose up against me.
39Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
40Thou hast also given me the necks of mine enemies; that I might destroy them that hate me.
40Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
41They cried, but there was none to save them: even unto the LORD, but he answered them not.
41Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
42Then did I beat them small as the dust before the wind: I did cast them out as the dirt in the streets.
42Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
43Thou hast delivered me from the strivings of the people; and thou hast made me the head of the heathen: a people whom I have not known shall serve me.
43Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
44As soon as they hear of me, they shall obey me: the strangers shall submit themselves unto me.
44Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy. [Na: Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]
45The strangers shall fade away, and be afraid out of their close places.
45Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
46The LORD liveth; and blessed be my rock; and let the God of my salvation be exalted.
46Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
47It is God that avengeth me, and subdueth the people under me.
47Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
48He delivereth me from mine enemies: yea, thou liftest me up above those that rise up against me: thou hast delivered me from the violent man.
48Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.
49Therefore will I give thanks unto thee, O LORD, among the heathen, and sing praises unto thy name.
49Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
50Great deliverance giveth he to his king; and sheweth mercy to his anointed, to David, and to his seed for evermore.
50Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.