1The LORD hear thee in the day of trouble; the name of the God of Jacob defend thee;
1[Vavaka ho an'ny mpanjaka raha mivoaka hanafika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba.
2Send thee help from the sanctuary, and strengthen thee out of Zion;
2Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
3Remember all thy offerings, and accept thy burnt sacrifice; Selah.
3Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.
4Grant thee according to thine own heart, and fulfil all thy counsel.
4Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
5We will rejoice in thy salvation, and in the name of our God we will set up our banners: the LORD fulfil all thy petitions.
5Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
6Now know I that the LORD saveth his anointed; he will hear him from his holy heaven with the saving strength of his right hand.
6Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
7Some trust in chariots, and some in horses: but we will remember the name of the LORD our God.
7Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
8They are brought down and fallen: but we are risen, and stand upright.
8Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]
9Save, LORD: let the king hear us when we call.
9Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]