King James Version

Malagasy

Psalms

28

1Unto thee will I cry, O LORD my rock; be not silent to me: lest, if thou be silent to me, I become like them that go down into the pit.
1[Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
2Hear the voice of my supplications, when I cry unto thee, when I lift up my hands toward thy holy oracle.
2Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho.
3Draw me not away with the wicked, and with the workers of iniquity, which speak peace to their neighbours, but mischief is in their hearts.
3Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
4Give them according to their deeds, and according to the wickedness of their endeavours: give them after the work of their hands; render to them their desert.
4Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.
5Because they regard not the works of the LORD, nor the operation of his hands, he shall destroy them, and not build them up.
5Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.
6Blessed be the LORD, because he hath heard the voice of my supplications.
6Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.
7The LORD is my strength and my shield; my heart trusted in him, and I am helped: therefore my heart greatly rejoiceth; and with my song will I praise him.
7Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.
8The LORD is their strength, and he is the saving strength of his anointed.
8Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.[Heb: ento]
9Save thy people, and bless thine inheritance: feed them also, and lift them up for ever.
9Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.[Heb: ento]