King James Version

Malagasy

Psalms

4

1Hear me when I call, O God of my righteousness: thou hast enlarged me when I was in distress; have mercy upon me, and hear my prayer.
1[Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
2O ye sons of men, how long will ye turn my glory into shame? how long will ye love vanity, and seek after leasing? Selah.
2Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
3But know that the LORD hath set apart him that is godly for himself: the LORD will hear when I call unto him.
3Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny]
4Stand in awe, and sin not: commune with your own heart upon your bed, and be still. Selah.
4Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita]
5Offer the sacrifices of righteousness, and put your trust in the LORD.
5Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
6There be many that say, Who will shew us any good? LORD, lift thou up the light of thy countenance upon us.
6Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
7Thou hast put gladness in my heart, more than in the time that their corn and their wine increased.
7Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
8I will both lay me down in peace, and sleep: for thou, LORD, only makest me dwell in safety.
8Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.