King James Version

Malagasy

Psalms

47

1O clap your hands, all ye people; shout unto God with the voice of triumph.
1[Fihobiana noho ny niakaran'ny Tompo] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra.
2For the LORD most high is terrible; he is a great King over all the earth.
2Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.
3He shall subdue the people under us, and the nations under our feet.
3Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika.
4He shall choose our inheritance for us, the excellency of Jacob whom he loved. Selah.
4Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany.
5God is gone up with a shout, the LORD with the sound of a trumpet.
5Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara.
6Sing praises to God, sing praises: sing praises unto our King, sing praises.
6Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
7For God is the King of all the earth: sing ye praises with understanding.
7Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
8God reigneth over the heathen: God sitteth upon the throne of his holiness.
8Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina.Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.
9The princes of the people are gathered together, even the people of the God of Abraham: for the shields of the earth belong unto God: he is greatly exalted.
9Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.