1Save me, O God, by thy name, and judge me by thy strength.
1[Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy, na dia be aza ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
2Hear my prayer, O God; give ear to the words of my mouth.
2Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako.
3For strangers are risen up against me, and oppressors seek after my soul: they have not set God before them. Selah.
3Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy.
4Behold, God is mine helper: the Lord is with them that uphold my soul.
4Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
5He shall reward evil unto mine enemies: cut them off in thy truth.
5Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
6I will freely sacrifice unto thee: I will praise thy name, O LORD; for it is good.
6Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.
7For he hath delivered me out of all trouble: and mine eye hath seen his desire upon mine enemies.
7Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.