1Be merciful unto me, O God: for man would swallow me up; he fighting daily oppresseth me.
1[Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
2Mine enemies would daily swallow me up: for they be many that fight against me, O thou most High.
2Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
3What time I am afraid, I will trust in thee.
3Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.
4In God I will praise his word, in God I have put my trust; I will not fear what flesh can do unto me.
4Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?
5Every day they wrest my words: all their thoughts are against me for evil.
5Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny]
6They gather themselves together, they hide themselves, they mark my steps, when they wait for my soul.
6Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
7Shall they escape by iniquity? in thine anger cast down the people, O God.
7Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy]
8Thou tellest my wanderings: put thou my tears into thy bottle: are they not in thy book?
8Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?
9When I cry unto thee, then shall mine enemies turn back: this I know; for God is for me.
9Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
10In God will I praise his word: in the LORD will I praise his word.
10Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
11In God have I put my trust: I will not be afraid what man can do unto me.
11Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
12Thy vows are upon me, O God: I will render praises unto thee.
12Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.[Na: fahazavan'aina]
13For thou hast delivered my soul from death: wilt not thou deliver my feet from falling, that I may walk before God in the light of the living?
13Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.[Na: fahazavan'aina]