1Do ye indeed speak righteousness, O congregation? do ye judge uprightly, O ye sons of men?
1[Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]
2Yea, in heart ye work wickedness; ye weigh the violence of your hands in the earth.
2Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
3The wicked are estranged from the womb: they go astray as soon as they be born, speaking lies.
3Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
4Their poison is like the poison of a serpent: they are like the deaf adder that stoppeth her ear;
4Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
5Which will not hearken to the voice of charmers, charming never so wisely.
5Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
6Break their teeth, O God, in their mouth: break out the great teeth of the young lions, O LORD.
6Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.
7Let them melt away as waters which run continually: when he bendeth his bow to shoot his arrows, let them be as cut in pieces.
7Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
8As a snail which melteth, let every one of them pass away: like the untimely birth of a woman, that they may not see the sun.
8Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
9Before your pots can feel the thorns, he shall take them away as with a whirlwind, both living, and in his wrath.
9Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
10The righteous shall rejoice when he seeth the vengeance: he shall wash his feet in the blood of the wicked.
10Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]
11So that a man shall say, Verily there is a reward for the righteous: verily he is a God that judgeth in the earth.
11Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]