King James Version

Malagasy

Psalms

6

1O LORD, rebuke me not in thine anger, neither chasten me in thy hot displeasure.
1[Fivavaky ny olona anarin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2Have mercy upon me, O LORD; for I am weak: O LORD, heal me; for my bones are vexed.
2Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
3My soul is also sore vexed: but thou, O LORD, how long?
3Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
4Return, O LORD, deliver my soul: oh save me for thy mercies' sake.
4Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
5For in death there is no remembrance of thee: in the grave who shall give thee thanks?
5Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?[Heb. Sheola]
6I am weary with my groaning; all the night make I my bed to swim; I water my couch with my tears.
6Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.
7Mine eye is consumed because of grief; it waxeth old because of all mine enemies.
7Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.
8Depart from me, all ye workers of iniquity; for the LORD hath heard the voice of my weeping.
8Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.
9The LORD hath heard my supplication; the LORD will receive my prayer.
9Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
10Let all mine enemies be ashamed and sore vexed: let them return and be ashamed suddenly.
10Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.