1O God, thou hast cast us off, thou hast scattered us, thou hast been displeased; O turn thyself to us again.
1[Fiantsoan'ny efa resim-pahavalo, mba hotsarovan'Andriamanitra ny teniny] Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.[Arama-naharaima]
2Thou hast made the earth to tremble; thou hast broken it: heal the breaches thereof; for it shaketh.
2Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
3Thou hast shewed thy people hard things: thou hast made us to drink the wine of astonishment.
3Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
4Thou hast given a banner to them that fear thee, that it may be displayed because of the truth. Selah.
4Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.
5That thy beloved may be delivered; save with thy right hand, and hear me.
5Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
6God hath spoken in his holiness; I will rejoice, I will divide Shechem, and mete out the valley of Succoth.
6Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
7Gilead is mine, and Manasseh is mine; Ephraim also is the strength of mine head; Judah is my lawgiver;
7Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
8Moab is my washpot; over Edom will I cast out my shoe: Philistia, triumph thou because of me.
8Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
9Who will bring me into the strong city? who will lead me into Edom?
9Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
10Wilt not thou, O God, which hadst cast us off? and thou, O God, which didst not go out with our armies?
10Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? [Na: Tsy efa nanary anay va Hianao]
11Give us help from trouble: for vain is the help of man.
11Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
12Through God we shall do valiantly: for he it is that shall tread down our enemies.
12Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.