King James Version

Malagasy

Psalms

73

1Truly God is good to Israel, even to such as are of a clean heart.
1[BOKY FAHATELO][Ny amin'ny tsy hahaketraka ny olon'Andriamanitra, raha mahita ny ratsy fanahy ambinina] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
2But as for me, my feet were almost gone; my steps had well nigh slipped.
2Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
3For I was envious at the foolish, when I saw the prosperity of the wicked.
3Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.
4For there are no bands in their death: but their strength is firm.
4Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
5They are not in trouble as other men; neither are they plagued like other men.
5Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
6Therefore pride compasseth them about as a chain; violence covereth them as a garment.
6Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
7Their eyes stand out with fatness: they have more than heart could wish.
7Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
8They are corrupt, and speak wickedly concerning oppression: they speak loftily.
8Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
9They set their mouth against the heavens, and their tongue walketh through the earth.
9Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
10Therefore his people return hither: and waters of a full cup are wrung out to them.
10Izany no itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny;
11And they say, How doth God know? and is there knowledge in the most High?
11Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
12Behold, these are the ungodly, who prosper in the world; they increase in riches.
12Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
13Verily I have cleansed my heart in vain, and washed my hands in innocency.
13Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.
14For all the day long have I been plagued, and chastened every morning.
14Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
15If I say, I will speak thus; behold, I should offend against the generation of thy children.
15Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
16When I thought to know this, it was too painful for me;
16Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
17Until I went into the sanctuary of God; then understood I their end.
17Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
18Surely thou didst set them in slippery places: thou castedst them down into destruction.
18Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
19How are they brought into desolation, as in a moment! they are utterly consumed with terrors.
19Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
20As a dream when one awaketh; so, O Lord, when thou awakest, thou shalt despise their image.
20Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
21Thus my heart was grieved, and I was pricked in my reins.
21Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,
22So foolish was I, and ignorant: I was as a beast before thee.
22Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]
23Nevertheless I am continually with thee: thou hast holden me by my right hand.
23Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
24Thou shalt guide me with thy counsel, and afterward receive me to glory.
24Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.
25Whom have I in heaven but thee? and there is none upon earth that I desire beside thee.
25Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.
26My flesh and my heart faileth: but God is the strength of my heart, and my portion for ever.
26Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
27For, lo, they that are far from thee shall perish: thou hast destroyed all them that go a whoring from thee.
27Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
28But it is good for me to draw near to God: I have put my trust in the Lord GOD, that I may declare all thy works.
28Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.