King James Version

Malagasy

Psalms

77

1I cried unto God with my voice, even unto God with my voice; and he gave ear unto me.
1[Fahatsiarovana ny amin'ny taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
2In the day of my trouble I sought the Lord: my sore ran in the night, and ceased not: my soul refused to be comforted.
2Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
3I remembered God, and was troubled: I complained, and my spirit was overwhelmed. Selah.
3Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.
4Thou holdest mine eyes waking: I am so troubled that I cannot speak.
4Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
5I have considered the days of old, the years of ancient times.
5Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
6I call to remembrance my song in the night: I commune with mine own heart: and my spirit made diligent search.
6Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
7Will the Lord cast off for ever? and will he be favourable no more?
7Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
8Is his mercy clean gone for ever? doth his promise fail for evermore?
8Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
9Hath God forgotten to be gracious? hath he in anger shut up his tender mercies? Selah.
9Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
10And I said, This is my infirmity: but I will remember the years of the right hand of the most High.
10Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']
11I will remember the works of the LORD: surely I will remember thy wonders of old.
11Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
12I will meditate also of all thy work, and talk of thy doings.
12Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
13Thy way, O God, is in the sanctuary: who is so great a God as our God?
13Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]
14Thou art the God that doest wonders: thou hast declared thy strength among the people.
14Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.
15Thou hast with thine arm redeemed thy people, the sons of Jacob and Joseph. Selah.
15Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.
16The waters saw thee, O God, the waters saw thee; they were afraid: the depths also were troubled.
16Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
17The clouds poured out water: the skies sent out a sound: thine arrows also went abroad.
17Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
18The voice of thy thunder was in the heaven: the lightnings lightened the world: the earth trembled and shook.
18Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]
19Thy way is in the sea, and thy path in the great waters, and thy footsteps are not known.
19Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
20Thou leddest thy people like a flock by the hand of Moses and Aaron.
20Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.