King James Version

Malagasy

Psalms

87

1His foundation is in the holy mountains.
1[Ny tanànan'i Jehovah, izay hahaterahan'ny firenena maro ho isan'ny Isiraely] Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;
2The LORD loveth the gates of Zion more than all the dwellings of Jacob.
2Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
3Glorious things are spoken of thee, O city of God. Selah.
3Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra
4I will make mention of Rahab and Babylon to them that know me: behold Philistia, and Tyre, with Ethiopia; this man was born there.
4Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.[Na: Egypta]
5And of Zion it shall be said, This and that man was born in her: and the highest himself shall establish her.
5Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
6The LORD shall count, when he writeth up the people, that this man was born there. Selah.
6Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
7As well the singers as the players on instruments shall be there: all my springs are in thee.
7Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.