King James Version

Malagasy

Revelation

16

1And I heard a great voice out of the temple saying to the seven angels, Go your ways, and pour out the vials of the wrath of God upon the earth.
1Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
2And the first went, and poured out his vial upon the earth; and there fell a noisome and grievous sore upon the men which had the mark of the beast, and upon them which worshipped his image.
2Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
3And the second angel poured out his vial upon the sea; and it became as the blood of a dead man: and every living soul died in the sea.
3Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.
4And the third angel poured out his vial upon the rivers and fountains of waters; and they became blood.
4Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.
5And I heard the angel of the waters say, Thou art righteous, O Lord, which art, and wast, and shalt be, because thou hast judged thus.
5Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;
6For they have shed the blood of saints and prophets, and thou hast given them blood to drink; for they are worthy.
6fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
7And I heard another out of the altar say, Even so, Lord God Almighty, true and righteous are thy judgments.
7Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
8And the fourth angel poured out his vial upon the sun; and power was given unto him to scorch men with fire.
8Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.
9And men were scorched with great heat, and blasphemed the name of God, which hath power over these plagues: and they repented not to give him glory.
9Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy. [ Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
10And the fifth angel poured out his vial upon the seat of the beast; and his kingdom was full of darkness; and they gnawed their tongues for pain,
10Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
11And blasphemed the God of heaven because of their pains and their sores, and repented not of their deeds.
11dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany. [ Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
12And the sixth angel poured out his vial upon the great river Euphrates; and the water thereof was dried up, that the way of the kings of the east might be prepared.
12Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.
13And I saw three unclean spirits like frogs come out of the mouth of the dragon, and out of the mouth of the beast, and out of the mouth of the false prophet.
13Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany sandoka.
14For they are the spirits of devils, working miracles, which go forth unto the kings of the earth and of the whole world, to gather them to the battle of that great day of God Almighty.
14Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
15Behold, I come as a thief. Blessed is he that watcheth, and keepeth his garments, lest he walk naked, and they see his shame.
15(Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.) [ Gr. miari-tory]
16And he gathered them together into a place called in the Hebrew tongue Armageddon.
16Ary nangoniny ho any amin'ny tany atao amin'ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
17And the seventh angel poured out his vial into the air; and there came a great voice out of the temple of heaven, from the throne, saying, It is done.
17Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
18And there were voices, and thunders, and lightnings; and there was a great earthquake, such as was not since men were upon the earth, so mighty an earthquake, and so great.
18Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
19And the great city was divided into three parts, and the cities of the nations fell: and great Babylon came in remembrance before God, to give unto her the cup of the wine of the fierceness of his wrath.
19Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany.
20And every island fled away, and the mountains were not found.
20Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
21And there fell upon men a great hail out of heaven, every stone about the weight of a talent: and men blasphemed God because of the plague of the hail; for the plague thereof was exceeding great.
21Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.