King James Version

Malagasy

Revelation

9

1And the fifth angel sounded, and I saw a star fall from heaven unto the earth: and to him was given the key of the bottomless pit.
1[Ny nitsofana ny trompetra fahadimy, sy ny nahatongavan'ny loza voalohany] Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa.
2And he opened the bottomless pit; and there arose a smoke out of the pit, as the smoke of a great furnace; and the sun and the air were darkened by reason of the smoke of the pit.
2Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.
3And there came out of the smoke locusts upon the earth: and unto them was given power, as the scorpions of the earth have power.
3Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin'ny maingoka amin'ny tany. [ Gr. fahefana]
4And it was commanded them that they should not hurt the grass of the earth, neither any green thing, neither any tree; but only those men which have not the seal of God in their foreheads.
4Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
5And to them it was given that they should not kill them, but that they should be tormented five months: and their torment was as the torment of a scorpion, when he striketh a man.
5Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
6And in those days shall men seek death, and shall not find it; and shall desire to die, and death shall flee from them.
6Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
7And the shapes of the locusts were like unto horses prepared unto battle; and on their heads were as it were crowns like gold, and their faces were as the faces of men.
7Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
8And they had hair as the hair of women, and their teeth were as the teeth of lions.
8Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
9And they had breastplates, as it were breastplates of iron; and the sound of their wings was as the sound of chariots of many horses running to battle.
9Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.
10And they had tails like unto scorpions, and there were stings in their tails: and their power was to hurt men five months.
10Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana. [ Gr. fahefana]
11And they had a king over them, which is the angel of the bottomless pit, whose name in the Hebrew tongue is Abaddon, but in the Greek tongue hath his name Apollyon.
11Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany. [ Abadona = Fandringanana] [ Apolyona = Mpandringana]
12One woe is past; and, behold, there come two woes more hereafter.
12Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
13And the sixth angel sounded, and I heard a voice from the four horns of the golden altar which is before God,
13[Ny nitsofana ny trompetra fahenina, sy ny nahatongavan'ny loza faharoa] Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,
14Saying to the sixth angel which had the trumpet, Loose the four angels which are bound in the great river Euphrates.
14nanao tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
15And the four angels were loosed, which were prepared for an hour, and a day, and a month, and a year, for to slay the third part of men.
15Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona.
16And the number of the army of the horsemen were two hundred thousand thousand: and I heard the number of them.
16Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
17And thus I saw the horses in the vision, and them that sat on them, having breastplates of fire, and of jacinth, and brimstone: and the heads of the horses were as the heads of lions; and out of their mouths issued fire and smoke and brimstone.
17Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny vavany.
18By these three was the third part of men killed, by the fire, and by the smoke, and by the brimstone, which issued out of their mouths.
18Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona.
19For their power is in their mouth, and in their tails: for their tails were like unto serpents, and had heads, and with them they do hurt.
19Fa ny herin'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
20And the rest of the men which were not killed by these plagues yet repented not of the works of their hands, that they should not worship devils, and idols of gold, and silver, and brass, and stone, and of wood: which neither can see, nor hear, nor walk:
20Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
21Neither repented they of their murders, nor of their sorceries, nor of their fornication, nor of their thefts.
21ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.