1Keep thy feet when thou goest unto a house of God, and draw near to hear rather than to give of fools the sacrifice, for they do not know they do evil.
1Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
2Cause not thy mouth to hasten, and let not thy heart hasten to bring out a word before God, for God is in the heavens, and thou on the earth, therefore let thy words be few.
2Fa ny haben'ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben'ny teny no isehoan'ny rediredin'ny adala.
3For the dream hath come by abundance of business, and the voice of a fool by abundance of words.
3Raha mivoady amin'Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.
4When thou vowest a vow to God, delay not to complete it, for there is no pleasure in fools; that which thou vowest — complete.
4Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.
5Better that thou do not vow, than that thou dost vow and dost not complete.
5Aza avela hahatonga heloka amin'ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason'ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin'ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan'ny tananao? [Na: iraka;]
6Suffer not thy mouth to cause thy flesh to sin, nor say before the messenger, that `it [is] an error,` why is God wroth because of thy voice, and hath destroyed the work of thy hands?
6Fa amin'ny haben'ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra no atahory.
7For, in the abundance of dreams both vanities and words abound; but fear thou God.
7[Ny mbola hitsarana ny mpampahory sy ny mpamadika ny rariny ary ny maha-zava-poana ny harena sy ny tokony hifaliana amin'izay omen'Andriamanitra] Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
8If oppression of the poor, and violent taking away of judgment and righteousness thou seest in a province, do not marvel at the matter, for a higher than the high is observing, and high ones [are] over them.
8Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian'ny mpanjaka amin'izay tany volena.
9And the abundance of a land is for all. A king for a field is served.
9Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
10Whoso is loving silver is not satisfied [with] silver, nor he who is in love with stores [with] increase. Even this [is] vanity.
10Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
11In the multiplying of good have its consumers been multiplied, and what benefit [is] to its possessor except the sight of his eyes?
11Mamy ny torimason'ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben'ny ananan'ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.[Na: ny fahavokisan']
12Sweet [is] the sleep of the labourer whether he eat little or much; and the sufficiency of the wealthy is not suffering him to sleep.
12Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, nefa mampidi-doza amin'ny tenany;
13There is a painful evil I have seen under the sun: wealth kept for its possessor, for his evil.
13sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,
14And that wealth hath been lost in an evil business, and he hath begotten a son and there is nothing in his hand!
14Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.
15As he came out from the belly of his mother, naked he turneth back to go as he came, and he taketh not away anything of his labour, that doth go in his hand.
15Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an'ny rivotra?
16And this also [is] a painful evil, just as he came, so he goeth, and what advantage [is] to him who laboureth for wind?
16Ary koa, homa-maizina amin'ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.
17Also all his days in darkness he consumeth, and sadness, and wrath, and sickness abound.
17Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
18Lo, that which I have seen: [It is] good, because beautiful, to eat, and to drink, and to see good in all one`s labour that he laboureth at under the sun, the number of the days of his life that God hath given to him, for it [is] his portion.
18Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.
19Every man also to whom God hath given wealth and riches, and hath given him power to eat of it, and to accept his portion, and to rejoice in his labour, this is a gift of God.
19Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.
20For he doth not much remember the days of his life, for God is answering through the joy of his heart.