Young`s Literal Translation

Malagasy

Isaiah

16

1Send ye a lamb [to] the ruler of the land, From Selah in the wilderness, Unto the mount of the daughter of Zion.
1Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
2And it hath come to pass, As a wandering bird, a nest cast out, Are daughters of Moab, [at] fords of Arnon.
2Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
3Bring ye in counsel, do judgment, Make as night thy shadow in the midst of noon, Hide outcasts, the wanderer reveal not.
3Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
4Sojourn in thee do My outcasts, O Moab, Be a secret hiding-place to them, From the face of a destroyer, For ceased hath the extortioner, Finished hath been a destroyer, Consumed the treaders down out of the land.
4Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.[Na: Aoka ho fereny ianao ry Moaba]
5And established in kindness is the throne, And [one] hath sat on it in truth, in the tent of David, Judging and seeking judgment, and hasting righteousness.
5Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
6We have heard of the pride of Moab — very proud, His pride, and his arrogance, and his wrath, Not right [are] his devices.
6Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
7Therefore howl doth Moab for Moab, all of it doth howl, For the grape-cakes of Kir-Hareseth it meditateth, Surely they are smitten.
7Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na: faharavany]
8Because fields of Heshbon languish, The vine of Sibmah, Lords of nations did beat her choice vines, Unto Jazer they have come, They have wandered in a wilderness, Her plants have spread themselves, They have passed over a sea.
8Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny andrianan'ny firenena ny sakeliny]
9Therefore I weep with the weeping of Jazer, The vine of Sibmah, I water thee [with] my tear, O Heshbon and Elealeh, For — for thy summer fruits, and for thy harvest, The shouting hath fallen.
9Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na: fitomaniana an'i]
10And removed have been gladness and joy from the fruitful field, And in vineyards they sing not, nor shout, Wine in the presses treadeth not the treader, Shouting I have caused to cease.
10Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
11Therefore my bowels for Moab as a harp do sound, And mine inward parts for Kir-Haresh.
11Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.
12And it hath come to pass, when it hath been seen, That weary hath been Moab on the high place, And he hath come unto his sanctuary to pray, And is not able.
12Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
13This [is] the word that Jehovah hath spoken unto Moab from that time,
13Izany no tenin'i Jehovah nataony fahiny ny amin'i Moaba.Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
14And now hath Jehovah spoken, saying, `In three years, as years of an hireling, Lightly esteemed is the honour of Moab, With all the great multitude, And the remnant [is] little, small, not mighty!`
14Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]