Young`s Literal Translation

Malagasy

Proverbs

29

1A man often reproved, hardening the neck, Is suddenly broken, and there is no healing.
1Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
2In the multiplying of the righteous the people rejoice, And in the ruling of the wicked the people sigh.
2Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
3A man loving wisdom rejoiceth his father, And a friend of harlots destroyeth wealth.
3Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
4A king by judgment establisheth a land, And one receiving gifts throweth it down.
4Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.[Na: mampandoa harena]
5A man taking a portion above his neighbour, Spreadeth a net for his own steps.
5Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
6In the transgression of the evil [is] a snare, And the righteous doth sing and rejoice.
6Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
7The righteous knoweth the plea of the poor, The wicked understandeth not knowledge.
7Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
8Men of scorning ensnare a city, And the wise turn back anger.
8Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.[Heb. mampirehitra]
9A wise man is judged by the foolish man, And he hath been angry, And he hath laughed, and there is no rest.
9Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.[Na: Raha hendry miady amin'adala, na tezitra izy, na mihomehy, dia tsy misy fitsaharana]
10Men of blood hate the perfect, And the upright seek his soul.
10Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy]
11A fool bringeth out all his mind, And the wise till afterwards restraineth it.
11Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
12A ruler who is attending to lying words, All his ministers [are] wicked.
12Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
13The poor and the man of frauds have met together, Jehovah is enlightening the eyes of them both.
13Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.[Na: mpampanana vola]
14a king that is judging truly the poor, His throne for ever is established.
14Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
15A rod and reproof give wisdom, And a youth let away is shaming his mother.
15Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
16In the multiplying of the wicked transgression multiplieth, And the righteous on their fall do look.
16Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
17Chastise thy son, and he giveth thee comfort, Yea, he giveth delights to thy soul.
17Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.
18Without a Vision is a people made naked, And whoso is keeping the law, O his happiness!
18Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
19By words a servant is not instructed though he understand, And there is nothing answering.
19Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.[Heb. tsy misy valiny]
20Thou hast seen a man hasty in his words! More hope of a fool than of him.
20Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
21Whoso is bringing up his servant delicately, from youth, [At] his latter end also he is continuator.
21Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
22An angry man stirreth up contention, And a furious man is multiplying transgression.
22Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
23The pride of man humbleth him, And humility of spirit upholdeth honour.
23Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
24Whoso is sharing with a thief is hating his own soul, Execration he heareth, and telleth not.
24Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
25Fear of man causeth a snare, And the confident in Jehovah is set on high.
25Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.[Heb. hatao amin'ny avo]
26Many are seeking the face of a ruler, And from Jehovah [is] the judgment of each.
26Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.[Heb. mitady ny tavan']Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
27An abomination to the righteous [is] the perverse man, And an abomination to the wicked [is] the upright in the way!
27Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.