1NALIBREYO gui enemigujo sija, O Yuusso; polo yo gui jilo guinin ayosija ni y mangajujulo contra guajo.
1[Fitarainan'izay misy fahavalo maro mitady hahafaty azy] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko.
2Nalibreyo gui chumogüe y tinaelaye, ya satbayo gui manmejga na taotao sija.
2Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà.
3Sa, estagüe, na mananangga y antijo: y manmetgot mandaña contra guajo; ti pot y tinaelayeco, ni ti pot y isaojo, O Jeova.
3Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
4Manmalago ya japrepara sija, sin y linachijo; fagmata, ya unayudayo, ya unlie.
4Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.[Heb. vokatra]
5Jago Jeova, Yuus y inetnon sendalo, si Yuus Israel; fagmata ya unbisita todo y nasion sija; chamo gagaease ni y manaelaye. Sila.
5Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.
6Manalo guato yan pupuenge: ya manboruruca taegüije y galago, ya malilicucue y siuda.
6Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
7Liija, sa mannutugap juyong guinin y pachotñija: espada sija guaja gui jalom labiosñija; jaye, ilegñiñija, cao jajungog?
7Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?
8Lao jago, O Jeova, siempre unchatgue sija; siempre unmofea todo y nasion.
8Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
9O minetgotto, junanangga jao; sa si Yuus y guimajo lumijing.
9Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
10Si Yuusso nu y minaaseña, ugaegue gui menajo: si Yuus unaliiyo y minalagojo, gui jilo y enemigujo sija.
10Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho.
11Chamo pumupuno sija, sa trabia ti manmalelefa y taotaojo; chalapon sija pot y ninasiñamo; ya unchule sija papa, O Jeova, patangmame.
11Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
12Pot y isao y pachotñija, yan pot y sinangan y labiosñija, polo ya ufanmacone, pot y sobetbioñija: yan pot y matdision, yan manmandadague ni y sinanganñija.
12Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
13Lachae sija ni y binibumo, lachae sija, para sija ti ufangaegue talo: ya ujatungo na si Yuus mangobiebietna gui as Jacob, asta y uttimon y tano. Sila.
13Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany.
14Ya an pupuenge, polo ya ufanalo guato, ya unfanboruca taegüije y galago ya umalilicue y siuda.
14Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
15Nafanjajanao julo yan papa, ya ufanmanaliligao nañija; ya usaga todo puenge yanguin ti manjaspog.
15Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
16Lao guajo, jucanta ni y ninasiñamo; magajet, na jucanta agang ni y minaasemo yan ogaan; sa guinin jago y guimajo lumijing, yan y guinegüeco gui jaanen chinatsagaco.
16Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
17Jago, O minetgotjo, jucantaye y alabansa sija; sa si Yuus y guimajo lumijing, yan y Yuus y minaasejo.
17Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.