1NAGÜINAEYAYON y sagamo, O Señot y inetnon sendalo!
1[Alahelo ny tranon'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!
2Y antijo tumatanga, magajet na asta ninamalango pot y sagan y Jeova: y corasonjo yan y catneco agagange y lâlâlâ na Yuus.
2Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona.
3Magajet y gorrión mañoda gumaña, yan y golondrina chenchonña para güiya, anae siña mapolo y famaguonña, esta y jalom y attatmo, O Señot y inetnon sendalo, Rayjo yan Yuusso.
3Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
4Mandichoso ayo sija y mañasaga gui jalom y guimamo; sa sigueja di malabajao:
4Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.
5Dichoso y taotao ni y minetgotña gaegue guiya jago: yan y chalan para jago gaegue gui corasonña.
5Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
6Ni y anae janafanmalofan gui inanaco bayen tinangis jafatinase tupo sija; ya y taftaf na ichan locue tinampe ni y bendision.
6Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.[Baka = Fitomaniana]
7Manjanao guinin y manasiña minetgot asta y otro minetgot cada uno guiya sija manmalie gui menan Yuus guiya Sion.
7Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
8O Jeova, Yuus y inetnon sendalo, jungog y tinayuyutto: ecungog, O Yuus Jacob. Sila.
8Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.
9Lie, O Yuus, patangmame: ya atan y matan y pinalaemo.
9Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.
10Sa y un jaane gui sagamo mas mauleg qui un mit. Gañacoja na jupottero gui guima y Yuusso, qui jusaga gui jalom y sagan y manaelaye.
10Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy.
11Sa y Jeova Yuus, güiya y atdao yan y patang: si Jeova unfannae grasia yan minalag: ti jachoma y manmauleg na güinaja ni y mammamomocat gui tininas.
11Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
12O Señot y inetnon sendalo, dichoso y taotao ni y umangoco güe guiya jago.
12Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.