1Stalo se potom, že porazil David Filistinské, a zemdlil je, a vzal Gát i vesnice jeho z ruky Filistinských.
1[Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina.
2Porazil také i Moábské, a učiněni jsou Moábští služebníci Davidovi, a dávali jemu plat.
2Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.
3Porazil též David Hadarezera krále Soba v Emat, když byl vytáhl, aby opanoval řeku Eufrates.
3Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.[Na: nanangana saina]
4A pobral mu David tisíc vozů, a sedm tisíc jízdných, a dvadceti tisíc mužů pěších, a zpodřezoval David žily všechněm koňům vozníkům. Toliko zanechal z nich ke stu vozům.
4Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5Přitáhli pak byli Syrští od Damašku na pomoc Hadarezerovi králi Soba, ale David porazil z Syrských dvamecítma tisíc mužů.
5Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
6Tedy osadil David Syrii Damašskou. I učiněni jsou Syrští služebníci Davidovi, dávajíce plat; nebo zachovával Hospodin Davida, kamž se koli obrátil.
6Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
7Pobral také David štíty zlaté, kteréž měli služebníci Hadarezerovi, a přinesl je do Jeruzaléma.
7Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
8Z Tibchat též a z Chun, měst Hadarezerových, nabral David mědi velmi mnoho, z kteréž potom slil Šalomoun moře měděné, a sloupy i nádobí měděné.
8Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.[Heb. ranomasina]
9A když uslyšel Tohu král Emat, že porazil David všecko vojsko Hadarezera krále Soba,
9Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,
10Poslal Adorama syna svého k králi Davidovi, aby ho pozdravil přátelsky, a spolu se s ním radoval z toho, že bojoval s Hadarezerem, a porazil ho; (nebo válčil Tohu s Hadarezerem). Kterýžto přinesl všelijaké nádoby zlaté a stříbrné i měděné.
10dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
11Ty také obětoval král David Hospodinu s stříbrem a zlatem, kteréhož byl nabral ze všech národů, z Idumejských, z Moábských, z synů Ammon, z Filistinských, i z Amalechitských.
11Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
12Abizai také syn Sarvie porazil Idumejských v údolí solnatém osmnácte tisíc.
12Ary Abisay, zanak'i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
13Protož i nad Idumejskými postavil stráž, a učiněni jsou všickni Idumejští služebníci Davidovi; nebo zachovával Hospodin Davida, kamž se koli obrátil.
13Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
14A tak kraloval David nade vším Izraelem, a činil soud a spravedlnost všemu lidu svému.
14[Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana.
15Joáb pak syn Sarvie byl nad vojskem, a Jozafat syn Achiludův byl kancléřem.
15Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
16Sádoch také syn Achitobův a Abimelech syn Abiatarův byli kněžími, a Susa byl písařem.
16Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]
17Banaiáš pak syn Joiadův byl nad Cheretejskými a Peletejskými, a synové Davidovi knížaty při králi.
17Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]