Czech BKR

Malagasy

1 Corinthians

11

1Následovníci moji buďte, jako i já Kristův.
1Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy.
2Chválímť pak vás, bratří, že všecky věci mé v paměti máte, a jakž jsem vydal vám ustanovení, tak je zachováváte.
2[Ny amin'ny tokony hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
3Chciť pak, abyste věděli, že všelikého muže hlava jest Kristus, a hlava ženy muž, hlava pak Kristova Bůh.
3Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.
4Každý muž, modle se aneb prorokuje s přikrytou hlavou, ohyžďuje hlavu svou.
4Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
5Každá pak žena, modleci se anebo prorokujici s nepřikrytou hlavou, ohyžďuje hlavu svou; nebo jednostejná věc jest, jako by se oholila.
5Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
6Nebo nezavíjí-liť žena hlavy své, nechažť se také ostříhá. Pakli jest mrzká věc ženě oholiti se neb ostříhati, nechažť se zavíjí.
6Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
7Mužť nemá zavíjeti hlavy své, obraz a sláva Boží jsa, ale žena sláva mužova jest.
7Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
8Nebo není muž z ženy, ale žena z muže.
8Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.
9Není zajisté muž stvořen pro ženu, ale žena pro muže.
9Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
10Protož máť žena míti obestření na hlavě pro anděly.
10Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin'ny anjely. [Gr. hanana fahefana eo amin'ny lohany]
11Avšak ani muž bez ženy, ani žena bez muže, v Pánu.
11Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
12Nebo jakož žena jest z muže, tak i muž skrze ženu, všecky pak věci z Boha.
12Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra.
13Vy sami mezi sebou suďte, sluší-li se ženě s nepřikrytou hlavou modliti Bohu.
13Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?
14Zdaliž vás i samo přirození neučí, žeť jest ohyzda muži míti dlouhé vlasy?
14Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?
15Ale ženě míti dlouhé vlasy poctivé jest; nebo vlasové k zastírání dány jsou jí.
15Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.
16Jestliže pak komu se vidí neustupným býti, myť takového obyčeje nemáme, ani církev Boží.
16Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan'Andriamanitra.
17Toto pak předkládaje, nechválím toho, že ne k lepšímu, ale k horšímu se scházíte.
17[Ny amin'ny Fanasan'ny Tompo] Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.
18Nejprve zajisté, když se scházíte do shromáždění, slyším, že jsou roztržky mezi vámi, a poněkud tomu věřím.
18Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
19Neboť musejí i kacířstva mezi vámi býti, aby právě zbožní zjeveni byli mezi vámi.
19Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
20A tak když se scházíte vespolek, jižť to není večeři Páně jísti,
20Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan'ny Tompo akory.
21Poněvadž jeden každý nejprv večeři svou přijímá v jedení, a tu někdo lační, a jiný se přepil.
21Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo.
22A což pak domů nemáte k jedení a ku pití? Čili církev Boží tupíte, a zahanbujete ty, kteříž nemají hojnosti pokrmů? Což vám dím? Chváliti budu vás? V tom jistě nechválím.
22Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho.
23Já zajisté přijal jsem ode Pána, což i vydal jsem vám, že Pán Ježíš v tu noc, v kterouž zrazen jest, vzal chléb,
23Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
24A díky činiv, lámal a řekl: Vezměte, jezte, to jest tělo mé, kteréž se za vás láme. To čiňte na mou památku.
24ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [ Ampio hoe: [izay vakina]
25Takž i kalich, když povečeřel, řka: Tento kalich jest ta nová smlouva v mé krvi. To čiňte, kolikrátkoli píti budete, na mou památku.
25Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
26Nebo kolikrátž byste koli jedli chléb tento a z kalicha toho pili, smrt Páně zvěstujte, dokavadž nepřijde.
26Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
27A protož kdokoli jedl by chléb tento a pil z kalicha Páně nehodně, vinen bude tělem a krví Páně.
27Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy.
28Zkusiž tedy sám sebe člověk, a tak chléb ten jez, a z toho kalicha pí.
28Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka.
29Nebo kdož jí a pije nehodně, odsouzení sobě jí a pije, nerozsuzuje těla Páně.
29Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.
30Protož mezi vámi jsou mnozí mdlí a nemocní, a spí mnozí,
30Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
31Ješto kdybychom se sami rozsuzovali, nebyli bychom souzeni.
31Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.
32Ale když býváme souzeni, ode Pána býváme poučováni, abychom s světem nebyli odsouzeni.
32Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao.
33A tak, bratří moji, když se scházíte k jedení, jedni na druhé čekávejte.
33Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa. [ Na: mifampizarà]Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.
34Pakli kdo lační, doma jez, abyste se nescházeli k odsouzení. Jiné pak věci, když přijdu, zřídím.
34Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.