1V tom král Šalomoun zamiloval ženy cizozemky mnohé, i dceru Faraonovu, i Moábské, Ammonitské, Idumejské, Sidonské a Hetejské,
1[Ny nivilian'i Solomona namporafy maro, sy ny nanompoany sampy, ary ny namalian'Andriamanitra azy] Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
2Z národů těch, kteréž zapověděl Hospodin synům Izraelským, řka: Nebudete se směšovati s nimi, aniž se oni budou směšovati s vámi, neboť by naklonili srdce vaše k bohům svým. K těm přilnul Šalomoun milostí,
2dia vehivavy avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Solomona.
3Tak že měl žen královen sedm set a ženin tři sta. I odvrátily ženy jeho srdce jeho.
3Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
4Stalo se tedy, že když se zstaral Šalomoun, ženy jeho naklonily srdce jeho k bohům cizím, tak že nebylo srdce jeho celé při Hospodinu Bohu jeho, jako bylo srdce Davida otce jeho.
4Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
5Ale obrátil se Šalomoun k Astarot, bohyni Sidonské, a k Moloch, ohavnosti Ammonské.
5Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita.
6I činil Šalomoun to, což se nelíbilo Hospodinu, a nenásledoval cele Hospodina, jako David otec jeho.
6Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy.
7Tedy vystavěl Šalomoun výsost Chámosovi, ohavnosti Moábské, na hoře, kteráž jest naproti Jeruzalému, a Molochovi, ohavnosti synů Ammon.
7Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
8A tak vzdělal všechněm ženám svým z cizího národu, kteréž kadily a obětovaly bohům svým.
8Ary toy izany koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny.
9I rozhněval se Hospodin na Šalamouna, proto že se uchýlilo srdce jeho od Hospodina Boha Izraelského, kterýž se jemu byl ukázal po dvakrát,
9Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
10A zapověděl jemu tu věc, aby nechodil po bozích cizích. Ale neostříhal toho, což byl přikázal Hospodin.
10sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy.
11Protož řekl Hospodin Šalomounovi:Poněvadž se to nalezlo při tobě, a neostříhal jsi smlouvy mé ani ustanovení mých, kterážť jsem přikázal, věz, že odtrhnu království toto od tebe, a dám je služebníku tvému.
11Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
12A však za dnů tvých neučiním toho pro Davida otce tvého, než z ruky syna tvého odtrhnu je.
12Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy.
13Všeho pak království neodtrhnu, ale pokolení jednoho zanechám synu tvému pro Davida služebníka svého a pro Jeruzalém, kterýž jsem vyvolil.
13Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
14A tak vzbudil Hospodin protivníka Šalomounovi, Adada Idumejského z semene královského, kterýž byl v zemi Idumejské.
14Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny mpanjakan'i Edoma.
15Nebo stalo se, když bojoval David proti Idumejským, a Joáb kníže vojska vytáhl, aby pochoval zmordované, a pobil všecky pohlaví mužského v zemi Idumejské,
15Fa rehefa nanafika an'i Edoma Davida, ary Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
16(Za šest zajisté měsíců byl tam Joáb se vším lidem Izraelským, dokudž nevyplénil všech pohlaví mužského v zemi Idumejské),
16(fa enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
17Že tehdáž utekl Adad sám, a někteří muži Idumejští z služebníků otce jeho s ním, aby šli do Egypta. Adad pak byl pachole neveliké.
17dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.
18Kteříž jdouce z Madian, přišli do Fáran, a vzavše s sebou některé muže z Fáran, přišli do Egypta k Faraonovi, králi Egyptskému, kterýž dal jemu dům, i stravou opatřil ho, dal jemu také i zemi.
18Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
19A tak nalezl Adad milost velikou před Faraonem, tak že jemu dal za manželku sestru ženy své, sestru Tafnes královny.
19Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa, vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
20I porodila jemu sestra Tafnes syna Genubata, a odchovala ho Tafnes v domu Faraonovu. I byl Genubat v domě Faraonově mezi syny Faraonovými.
20Ary ny rahavavin'i Tapanesa niteraka zazalahy tamin'i Hadada, dia Genobata, izay notazan'i Tapanesa tao an-tranon'i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin'ny zanakalahin'i Farao tao an-dapa.
21Když pak uslyšel Adad v Egyptě, že by usnul David s otci svými, a že umřel i Joáb kníže vojska, tedy řekl Adad Faraonovi: Propusť mne, ať jdu do země své.
21Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako.
22Jemuž řekl Farao: Čehožť se nedostává u mne, že chceš odjíti do země své? I řekl: Ničeho, a však vždy mne propusť.
22Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin'ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
23Vzbudil ještě Bůh proti němu protivníka, Rázona syna Eliadova, kterýž byl utekl od Hadarezera krále Soby, pána svého,
23Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.
24A shromáždiv k sobě muže, byl knížetem roty, když je David hubil. Protož odšedše do Damašku, bydlili v něm a kralovali v Damašku.
24Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
25I byl protivníkem Izraelovým po všecky dny Šalomounovy; a to bylo nad to zlé, kteréž mu činil Adad. I měl v ošklivosti Izraele, když kraloval v Syrii.
25Ary izy koa dia fahavalon'ny Isiraely tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon'i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
26Jeroboám také syn Nebatův Efratejský z Sareda, (a jméno matky jeho ženy vdovy bylo Serua), služebník Šalomounův, pozdvihl ruky proti králi.
26Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.
27A tato byla příčina, pro kterouž pozdvihl ruky proti králi Šalomounovi: Že vystavěv Šalomoun Mello, zavřel mezeru města Davidova otce svého.
27Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy; [Heb. fiarovana]
28Jeroboám pak byl muž silný a udatný. Protož vida Šalomoun mládence, že by pracovitý byl, ustanovil ho nade všemi platy z domu Jozefa.
28ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan'i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak'i Josefa tamin'ny fanompoany rehetra.
29I stalo se téhož času, že když vyšel Jeroboám z Jeruzaléma, našel jej prorok Achiáš Silonský na cestě, jsa odín rouchem novým. A byli sami dva na poli.
29Ary tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
30Tedy ujav Achiáš roucho nové, kteréž měl na sobě, roztrhal je na dvanácte kusů.
30Dia noraisin'i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo.
31A řekl Jeroboámovi: Vezmi sobě deset kusů; nebo takto praví Hospodin Bůh Izraelský: Aj, já roztrhnu království z ruky Šalomounovy, a dám tobě desatero pokolení.
31Ary hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin'ny tànan'i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
32Jedno toliko pokolení zůstane jemu pro služebníka mého Davida, a pro město Jeruzalém, kteréž jsem vyvolil ze všech pokolení Izraelských,
32(nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely),
33Proto že opustili mne, a klaněli se Astarot bohyni Sidonské, a Chámos bohu Moábskému, i Moloch bohu Ammonskému, a nechodili po cestách mých, aby činili to, což mi se líbí, totiž ustanovení má a soudy mé, jako David otec jeho.
33satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy.
34A však neodejmu ničeho z království z rukou jemu; nebo vůdcím zanechám ho po všecky dny života jeho pro Davida služebníka svého, kteréhož jsem vyvolil, kterýž ostříhal přikázaní mých a ustanovení mých.
34Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin'ny andro rehetra hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
35Ale potom vezma království z ruky syna jeho, dám tobě z něho desatero pokolení,
35fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
36Synu pak jeho dám jedno pokolení, aby zůstala svíce Davidovi služebníku mému po všecky dny přede mnou v městě Jeruzalémě, kteréž jsem sobě vyvolil, aby tam jméno mé přebývalo.
36Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
37A tak tebe vezmu, abys kraloval ve všech věcech, kterýchž by žádala duše tvá, a budeš králem nad Izraelem.
37Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely.
38Protož jestliže uposlechneš všeho toho, což přikáži tobě, a choditi budeš po cestách mých, a činiti to, což mi se líbí, ostříhaje ustanovení mých a přikázaní mých, jako činil David služebník můj: budu s tebou a vzdělám tobě dům stálý, jako jsem vzdělal Davidovi, a dám tobě lid Izraelský.
38Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao trano maharitra ho anao]
39Potrápímť zajisté semene Davidova pro tu věc, a však ne po všecky dny.
39Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
40Pro tu příčinu chtěl Šalomoun zabiti Jeroboáma. Kterýž vstav, utekl do Egypta k Sesákovi králi Egyptskému, a byl v Egyptě, dokudž neumřel Šalomoun.
40Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona.
41Jiné pak věci Šalomounovy, kteréž činil, i moudrost jeho vypsány jsou v knize činů Šalomounových.
41Ary ny tantaran'i Solomona sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Solomona va izany?
42Dnů pak, v nichž kraloval Šalomoun v Jeruzalémě nade vším Izraelem, bylo čtyřidceti let.
42Ary ny andro nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
43I usnul Šalomoun s otci svými, a pochován jest v městě Davida otce svého. Kraloval pak Roboám syn jeho místo něho.
43Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.