Czech BKR

Malagasy

1 Kings

13

1A aj, muž Boží přišel z Judstva s slovem Hospodinovým do Bethel, tehdáž když Jeroboám, stoje u oltáře, kadil.
1[Ny nanirahan'Andriamanitra ilay mpaminany hananatra an'i Jeroboama noho ny nanaovany ireo sarin'ombilahy kely ireo, sy ny nanjo azy] Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
2I zvolal proti oltáři slovem Hospodinovým, řka: Oltáři, oltáři, toto praví Hospodin: Hle, syn narodí se domu Davidovu, jménem Joziáš, kterýž obětovati bude na tobě kněží výsostí, jenž zapalují kadidlo na tobě; i kosti lidské páliti budou na tobě.
2Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao.
3I dal téhož dne znamení, řka: Totoť jest znamení, že mluvil Hospodin: Aj, oltář roztrhne se a vysype se popel, kterýž jest na něm.
3Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
4V tom uslyšev král Jeroboám slovo muže Božího, že zvolal proti oltáři v Bethel, vztáhl ruku svou od oltáře a řekl: Jměte ho. I uschla ruka jeho, kterouž vztáhl proti němu, a nemohl ji zase přitáhnouti k sobě.
4Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. [Heb. maina]
5Oltář také se roztrhl, a vysypal se popel z oltáře podlé znamení, kteréž byl předpověděl muž Boží slovem Hospodinovým.
5Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.
6Protož mluvil král a řekl tomu muži Božímu: Pomodl se medle Hospodinu Bohu svému a pros za mne, abych mohl přitáhnouti ruku svou k sobě. I modlil se muž Boží Hospodinu, a přitáhl král ruku zase k sobě, a byla jako prvé.
6Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
7Tedy řekl král muži Božímu: Poď se mnou domů a posilň se, a dámť dar.
7Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
8I řekl muž Boží králi: Bys mi dal polovici domu svého, nešel bych s tebou, aniž bych jedl chleba, aniž bych pil vody na místě tomto.
8Fa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;
9Nebo tak mi přikázal slovem svým Hospodin, řka: Nebudeš jísti chleba, ani píti vody, aniž se navrátíš tou cestou, kterouž jsi přišel.
9fa izao no tenin'i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin'izay lalana efa nalehanao.
10A tak odšel jinou cestou, a nenavrátil se tou cestou, kterouž byl přišel do Bethel.
10Dia nandeha tamin'ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin'ilay nalehany ho any Betela.
11Prorok pak jeden starý bydlil v Bethel, jehož syn přišed, vypravoval mu všecky věci, kteréž učinil muž Boží toho dne v Bethel; i slova, kteráž mluvil králi, vypravovali otci svému.
11Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary nolazain'ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka.
12Tedy řekl jim otec jejich: Kterou cestou šel? I ukázali mu synové jeho cestu, kterouž šel ten muž Boží, kterýž byl z Judstva přišel.
12Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany ? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
13Zatím řekl synům svým: Osedlejte mi osla. Kteříž osedlali mu osla, a on vsedl na něj.
13Ary hoy izy tamin'ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.
14A jel za mužem Božím a nalezl jej, an sedí pod dubem. I řekl jemu: Ty-li jsi ten muž Boží, kterýž jsi přišel z Judstva? A on odpověděl: Jsem.
14Ary dia nanaraka ilay lehilahin'Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
15Kterýž řekl jemu: Poď se mnou domů, a pojíš chleba.
15Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.
16Ale on odpověděl: Nemohuť se navrátiti, ani jíti s tebou, aniž budu jísti chleba, ani píti vody s tebou na místě tomto.
16Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,
17Nebo stala se ke mně řeč slovem Hospodinovým: Nebudeš tam jísti chleba, ani píti vody; nenavrátíš se, jda touž cestou, kterouž jsi šel.
17satria tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
18Jemuž odpověděl: Takéť já prorok jsem jako i ty, a mluvil ke mně anděl slovem Hospodinovým, řka: Navrať ho s sebou do domu svého, ať pojí chleba a napije se vody. To pak sklamal jemu.
18Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
19Takž se navrátil s ním, a jedl chléb v domě jeho a pil vodu.
19Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
20Když pak oni seděli za stolem, stalo se slovo Hospodinovo k proroku tomu, kterýž onoho byl zase navrátil.
20Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'i Jehovah;
21A zvolal na muže Božího, kterýž byl přišel z Judstva, řka: Toto praví Hospodin: Proto že jsi na odpor učinil řeči Hospodinově, a neostříhal jsi přikázaní, kteréžť vydal Hospodin Bůh tvůj,
21ary izy niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
22Ale navrátils se a jedls chléb, a pils vodu na místě, o kterémžť řekl: Nebudeš jísti chleba, ani píti vody: nebudeť pochováno tělo tvé v hrobě otců tvých.
22fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
23Tedy když pojedl chleba a napil se, osedlal mu osla, totiž tomu proroku, kteréhož byl navrátil.
23Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany naveriny.
24A když odšel, trefil na něj lev na cestě a udávil jej. I leželo tělo jeho na cestě, a osel stál podlé něho; lev také stál vedlé těla mrtvého.
24Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan'ny faty.
25A aj, muži někteří jdouce tudy, uzřeli tělo mrtvé ležící na cestě, a lva, an stojí vedlé něho. Kteříž přišedše, pověděli v městě, v kterémž ten starý prorok bydlil.
25Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran'ilay mpaminany antitra.
26Což když uslyšel ten prorok, kterýž ho byl navrátil s cesty, řekl: Muž Boží jest, kterýž na odpor učinil řeči Hospodinově; protož vydal jej Hospodin lvu, kterýž potřev ho, udávil jej vedlé řeči Hospodinovy, kterouž mluvil jemu.
26Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin'Andriamanitra nandà ny tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
27Zatím mluvě k synům svým, řekl: Osedlejte mi osla. I osedlali.
27Ary izy niteny tamin'ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.
28A odjev, nalezl mrtvé tělo jeho ležící na cestě, a osla i lva, an stojí u toho těla; a nejedl lev těla toho, aniž co uškodil oslu.
28Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.
29Protož vzav prorok tělo muže Božího, vložil je na osla, a přinesl je. I přišel do města svého, aby ho plakal a pochoval.
29Ary nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
30Položil pak tělo jeho v hrobě svém, a plakali ho: Ach, bratře můj.
30Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian'ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
31A pochovav ho, mluvil k synům svým, řka: Když já umru, pochovejte mne v témž hrobě, v němž muž Boží jest pochován, vedlé kostí jeho položte kosti mé.
31Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin'ny fasana izay ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny taolako;
32Neboť se jistě stane to, což ohlásil slovem Hospodinovým proti oltáři, kterýž jest v Bethel, a proti všechněm domům výsostí, kteréž jsou v městech Samařských.
32fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria.
33Po těchto příbězích neodvrátil se Jeroboám od cesty své zlé, ale opět nadělal z lidu obecného kněží výsostí. Kdo jen chtěl, posvětil ruky jeho, a ten byl knězem výsostí.
33Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo. [Heb. nofenoiny ny tànany]Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.
34I byla ta věc domu Jeroboámovu příčinou k hřešení, aby vypléněn a vyhlazen byl se svrchku země.
34Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.