1Protož složíce zlost, a všelikou lest, a pokrytství, a závist, i všecka utrhání,
1Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
2Jakožto nyní zrozená nemluvňátka, mléka beze lsti, to jest Božího slova žádostivi buďte, abyste jím rostli,
2fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena,
3Jestliže však okusili jste, kterak dobrotivý jest Pán.
3raha tàhiny "nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;"
4K kterémužto přistupujíce, jakožto k kameni živému, od lidí zajisté zavrženému, ale od Boha vyvolenému a drahému,
4Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,"
5I vy, jakožto kamení živé, vzdělávejte se v dům duchovní, kněžstvo svaté, k obětování duchovních obětí, vzácných Bohu skrze Jezukrista.
5ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
6A protož praví Písmo: Aj, zakládámť na Sionu kámen úhelný, vybraný a drahý, a v kterýž kdokoli věří, nikoli nebude zahanben.
6Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa. 28.16).
7Vám tedy věřícím jest drahý, ale nepovolným kámen, kterýž zavrhli ti, jenž stavěli, tenť jest učiněn v hlavu úhelní, a kámen úrazu, a skála pohoršení,
7Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22),
8Totiž těm, jenž se urážejí na slovu, nepovolní jsouce, k čemuž i odloženi jsou.
8"Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
9Ale vy jste rod vyvolený, královské kněžstvo, národ svatý, lid dobytý, abyste zvěstovali ctnosti toho, kterýž vás povolal ze tmy v předivné světlo své.
9Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;
10Kteříž jste někdy ani lidem nebyli, nyní pak jste lid Boží; kteříž jste někdy byli nedošli milosrdenství, již nyní jste došli milosrdenství.
10dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).
11Nejmilejší, prosímť vás, abyste jakožto příchozí a pohostinní zdržovali se od tělesných žádostí, kteréž rytěřují proti duši,
11[Fananarana hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;
12Obcování vaše mezi pohany majíce dobré, aby místo toho, kdež utrhají vám jako zločincům, dobré skutky vaše spatřujíce, velebili Boha v den navštívení.
12ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
13Poddáni tedy buďte všelikému lidskému zřízení pro Pána, buďto králi, jako nejvyššímu,
13Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
14Buďto vladařům, jako od něho poslaným, ku pomstě zle činících a k chvále dobře činících.
14na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15Nebo tak jest vůle Boží, abyste dobře činíce, zacpali ústa nemoudrých lidí z neznámosti vám utrhajících.
15Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa;
16Buďtež jako svobodní, však ne jako zastření majíce své zlosti svobodu, ale jakožto služebníci Boží.
16fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
17Všecky ctěte, bratrstvo milujte, Boha se bojte, krále v uctivosti mějte.
17Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
18Služebníci poddáni buďte ve vší bázni pánům, netoliko dobrým a mírným, ale i zlým.
18Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
19Neb toť jest milé, jestliže kdo pro svědomí Boží snáší zámutky, trpě bez viny.
19Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra.
20Nebo jaká jest chvála, byste pak i snášeli pohlavkování, hřešíce? Ale jestliže dobře činíce, a bez viny trpíce, snášíte, toť jest milé před Bohem.
20Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.
21Nebo i k tomu povoláni jste, jako i Kristus trpěl za nás, nám pozůstaviv příklad, abychom následovali šlépějí jeho.
21Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
22Kterýž hříchu neučinil, aniž jest lest nalezena v ústech jeho.
22"Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9);
23Kterýžto, když mu zlořečili, nezlořečil zase; trpěv, nehrozil, ale poroučel křivdy tomu, jenž spravedlivě soudí.
23raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina; [ Na: ny tenany]
24Kterýžto hříchy naše na svém těle sám vnesl na dřevo, abychom hříchům zemrouce, spravedlnosti živi byli, jehož zsinalostí uzdraveni jste.
24ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5).Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.[ Gr. Episkopo]
25Nebo jste byli jako ovce bloudící, ale již nyní obráceni jste ku pastýři a biskupu duší vašich.
25Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.[ Gr. Episkopo]