1Duch pak světle praví, že v posledních časích odvrátí se někteří od víry, poslouchajíce duchů bludných a učení ďábelských,
1[Ny amin'ny hihemoran'ny sasany, sy fananarana an'i Timoty hazoto hanefa ny anjara-fanompoany] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,
2V pokrytství lež mluvících, a cejchované majících svědomí své,
2amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
3Zbraňujících ženiti se, přikazujících zdržovati se od pokrmů, kteréž Bůh stvořil k užívání s díkčiněním věřícím a těm, jenž poznali pravdu.
3izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.
4Nebo všeliké stvoření Boží dobré jest, a nic nemá zamítáno býti, což se s díků činěním přijímá.
4Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,
5Posvěcuje se zajisté skrze slovo Boží a modlitbu.
5satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
6Toto předkládaje bratřím, budeš dobrý služebník Jezukristův, vykrmený slovy víry a pravého učení, kteréhož jsi následoval.
6Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
7Světské pak a babské básně zavrz, ale cvič se v zbožnosti.
7Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra.
8Nebo tělesné cvičení malého jest užitku, ale zbožnost ke všemu jest užitečná, a má i nynějšího i budoucího života zaslíbení.
8Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
9Věrnáť jest tato řeč a hodná, aby všelijak oblíbena byla.
9Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra.
10Proto zajisté i pracujeme, i pohanění neseme, že naději máme v Bohu živém, kterýž jest spasitel všech lidí, a zvláště věřících.
10Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
11Ty věci předkládej a uč.
11Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
12Nižádný mladostí tvou nepohrdej, ale buď příkladem věrných v řeči, v lásce, v duchu, u víře, v čistotě.
12Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
13Dokudž k tobě nepřijdu, buďiž pilen čítání, a napomínání, i učení.
13Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
14Nezanedbávej daru, kterýž jest v tobě, jenž jest dán skrze proroctví s vzkládáním rukou starších na tě.
14Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona. [ Gr. presbytera]
15O tom přemyšluj, v tom buď ustavičně, aby prospěch tvůj zjevný byl všechněm.
15Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
16Budiž sebe pilen i učení, a v tom trvej; nebo to čině, i samého sebe spasíš, i ty, kteříž tebe poslouchají.
16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.