Czech BKR

Malagasy

2 Chronicles

1

1Když se pak zmocnil Šalomoun syn Davidův v království svém, a Hospodin Bůh jeho byl s ním, a zvelebil ho náramně:
1[Fanatitra nataon'i Solomona, ary nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona] Ary Solomona, zanak'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
2Tedy rozkázal Šalomoun všemu Izraelovi i hejtmanům, setníkům i soudcům, i všechněm knížatům nade vším Izraelem, i přednějším v čeledech otcovských.
2Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,
3I bral se Šalomoun a všecko to shromáždění s ním na výsost, kteráž byla v Gabaon; nebo tam byl stánek shromáždění Božího, kterýž byl udělal Mojžíš služebník Hospodinův na poušti.
3ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.
4(Truhlu pak Boží přivezl byl David z Kariatjeharim, připraviv jí místo; nebo byl rozbil jí stan v Jeruzalémě.)
4Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
5A oltář měděný, kterýž byl udělal Bezeleel syn Uri, syna Hur, byl tam před stánkem Hospodinovým, kdež hledal ho Šalomoun i všecko to shromáždění.
5Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao. [Na: azy]
6I obětoval tam Šalomoun před Hospodinem na oltáři měděném, kterýž byl před stánkem úmluvy, a obětoval na něm tisíc zápalů.
6Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
7Té noci ukázal se Bůh Šalomounovi, a řekl jemu: Žádej, zač chceš, a dám tobě.
7Tamin'ny alin'iny no nisehoan'Andriamanitra tamin'i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
8I řekl Šalomoun Bohu: Ty jsi učinil otci mému Davidovi milosrdenství veliké, mne jsi též ustanovil králem místo něho.
8Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
9Již tedy, Hospodine Bože, budiž stálé slovo tvé mluvené s Davidem otcem mým; nebo ty jsi mne ustanovil za krále nad lidem tak mnohým, jako jest prachu zemského.
9Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
10Protož dej mi moudrost a umění, aťbych vycházeti mohl před lidem tímto i vcházeti. Nebo kdož by mohl souditi tento lid tvůj tak mnohý?
10Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
11Tedy odpověděl Bůh Šalomounovi: Proto že bylo to v srdci tvém, a nežádal jsi bohatství, ani zboží, ani slávy, ani bezživotí těch, jenž tebe nenávidí, aniž jsi také za dlouhý věk žádal, ale žádal jsi sobě moudrosti a umění, abys soudil lid můj, nad nímž jsem tě ustanovil za krále:
11Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
12Moudrost a umění dáno jest tobě, k čemužť přidám i bohatství a zboží, i slávy, tak že žádný z králů, kteříž byli před tebou, nebyl tobě rovný, aniž bude po tobě takového.
12dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
13I navrátil se Šalomoun s výsosti, kteráž byla v Gabaon, do Jeruzaléma, od stánku úmluvy, a tak kraloval nad Izraelem.
13Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.
14Nashromáždil pak Šalomoun vozů a jezdců, a měl tisíc a čtyři sta vozů, a dvanácte tisíc jezdců, kteréž rozsadil do měst vozů, a při králi v Jeruzalémě.
14[Ny amin'ny nanangonan'i Solomona soavaly aman-kalesy mbamin'ny harena be] Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
15I složil král stříbra a zlata v Jeruzalémě jako kamení, a dříví cedrového jako planého fíkoví, kteréž roste v údolí u velikém množství.
15Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. [Heb. Sefela]
16Přivodili také Šalomounovi koně z Egypta a koupě rozličné; nebo kupci královští brávali koupě rozličné za slušnou mzdu.
16Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.
17A vycházejíce, vodívali spřež vozníků z Egypta za šest set lotů stříbra, koně pak za půl druhého sta. A tak všechněm králům Hetejským i králům Syrským oni dodávali.
17Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.[Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.
18[Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.