Czech BKR

Malagasy

2 Kings

16

1Sedmnáctého léta Pekacha syna Romeliova kraloval Achas syn Jotama, krále Judského.
1[Ny nanjakan'i Ahaza tamin'ny Joda] Tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, no vao nanjakan'i Ahaza, zanak'i Jotama, mpanjakan'ny Joda.
2Ve dvadcíti letech byl Achas, když kralovati počal, a šestnácte let kraloval v Jeruzalémě, ale nečinil toho, což pravého jest, před Hospodinem Bohem svým, jako David otec jeho.
2Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon'i Davida rainy izy;
3Nýbrž chodil po cestě králů Izraelských; nadto i syna svého dal provésti skrze oheň vedlé ohavností pohanských, kteréž byl Hospodin vyplénil před oblíčejem synů Izraelských.
3fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
4Obětoval také a kadil na výsostech a na pahrbcích, i pod každým stromem zeleným.
4Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
5Tedy vytáhl Rezin král Syrský a Pekach syn Romeliášův, král Izraelský, proti Jeruzalému k boji, a oblehli Achasa. Ale nemohli ho dobyti.
5Ary tamin'izany dia niakatra hanafika an'i Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
6(Toho času Rezin král Syrský odtrhl zase město Elat k Syrii, a vyplénil Židy z Elot; Syrští pak přišedše do Elat, bydlili tam až do dnešního dne.)
6Tamin'izany andro izany Rezina, mpanjakan'i Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny fanjakan'i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
7I poslal Achas posly k Tiglatfalazarovi králi Assyrskému, řka: Služebník tvůj a syn tvůj jsem, přitáhni a vysvoboď mne z ruky krále Syrského, a z ruky krále Izraelského, kteříž povstali proti mně.
7Ary Ahaza naniraka olona ho any amin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
8A pobrav Achas stříbro a zlato, kteréž se nalézti mohlo v domě Hospodinově a v pokladích domu královského, poslal králi Assyrskému dar.
8Ary nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria.
9Tedy povolil jemu král Assyrský, a přitáhl k Damašku a dobyl ho, a přenesl obyvatele jeho do Kir, Rezina pak zabil.
9Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
10I vypravil se král Achas vstříc Tiglatfalazarovi králi Assyrskému do Damašku. A uzřev král Achas oltář v Damašku, poslal k Uriášovi knězi podobenství toho oltáře, a formu jeho vedlé všelikého díla jeho.
10Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin'i Oria mpisorona.
11I vzdělal Uriáš kněz oltář vedlé všeho toho, což byl poslal král Achas z Damašku. Tak učinil kněz Uriáš, prvé než se vrátil král Achas z Damašku.
11Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan'i Oria mpisorona azy mandra-pihavin'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
12Když se pak navrátil král z Damašku, uzřev ten oltář přistoupil k němu a obětoval na něm.
12Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
13A tak zapálil zápal svůj i suchou obět svou, a obětoval obět mokrou svou, a pokropil krví oltáře z pokojných obětí svých.
13Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran'ny fanati-pihavanany tamin'ny alitara.
14Oltář pak měděný, kterýž byl před Hospodinem, přenesl z přední strany domu, aby nestál mezi oltářem jeho a mezi domem Hospodinovým, a postavil jej po boku oltáře svého k půlnoci.
14Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny trano dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
15I přikázal král Achas knězi Uriášovi, řka: Na větším oltáři obětuj zápaly jitřní, a obět suchou večerní, a obět zápalnou královskou s obětí suchou její, i obět zápalnou všeho lidu země, a oběti suché jejich, i oběti mokré jejich, a všelikou krví zápalu a všelikou krví oběti kropiti budeš na něj, oltář pak měděný bude mi k doptávání se Boha.
15Ary Ahaza mpanjaka nandidy an'i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin'ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an'ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
16Tedy učinil Uriáš kněz všecko, jakž mu přikázal Achas.
16Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Ahaza mpanjaka.
17Osekal také král Achas přepásaní podstavků, a odjal od nich pánve, a moře složil s volů měděných, kteříž byli pod ním, a položil je na dlážení kamenné.
17Ary nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.[Heb. ranomasina]
18Zastření také sobotní, kteréž byli udělali v domě, a vcházení královské z zevnitř odjal od domu Hospodinova, boje se krále Assyrského.
18Ary ny Fialofana tamin'ny Sabata, izay natao teo akaikin'ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an'ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon'i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan'i Asyria.
19Jiní pak skutkové krále Achasa, kteréž činil, zapsáni jsou v knize o králích Judských.
19Ary ny tantaran'i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
20I usnul Achas s otci svými, a pochován jest s nimi v městě Davidově, a kraloval Ezechiáš syn jeho místo něho.
20Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.