Czech BKR

Malagasy

2 Samuel

13

1I stalo se potom, že Absolon syn Davidův měl sestru krásnou, jménem Támar; i zamiloval ji Amnon syn Davidův.
1[Ny ratsy nataon'i Amnona, sy ny namonoan'i Absaloma azy, ary ny nandosiran'i Absaloma] Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.
2A tak se o to trápil Amnon, že i v nemoc upadl pro Támar sestru svou; nebo panna byla, a viděl Amnon, že nesnadně bude jí moci co učiniti.
2Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.
3Měl pak Amnon přítele, jehož jméno bylo Jonadab, syn Semmaa bratra Davidova, kterýžto Jonadab byl muž velmi chytrý.
3Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
4I řekl jemu: Proč tak chřadneš, synu králův, den ode dne? Neoznámíš-liž mi? I řekl mu Amnon: Támar sestru Absolona bratra svého miluji.
4Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.
5Tedy řekl jemu Jonadab: Polož se na lůže své a udělej se nemocným, a když přijde otec tvůj, aby tě navštívil, díš jemu: Nechť přijde, prosím, Támar sestra má a dá mi jísti, připravíc před očima mýma pokrm, abych viděl a jedl z ruky její.
5Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
6A tak složil se Amnon, dělaje se nemocným. A když přišel král, aby ho navštívil, řekl Amnon králi: Nechť přijde, prosím, Támar sestra má a připraví před očima mýma asi dvě krmičky, abych pojedl z ruky její.
6Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
7Protož poslal David k Támar do domu, řka: Jdi hned do domu Amnona bratra svého a připrav mu krmičku.
7Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
8I šla Támar do domu Amnona bratra svého; on pak ležel. A vzavši mouky, zadělala ji, a připravivši krmičku před očima jeho, uvařila ji.
8Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
9Potom vzavši pánvici, vyložila před něj, a on nechtěl jísti. (I řekl Amnon: Spravte to, ať vyjdou všickni ven. I vyšli od něho všickni.
9Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
10Řekl pak Amnon k Támar: Přines tu krmičku do pokojíka, abych pojedl z ruky tvé. A vzavši Támar krmičku, kterouž připravila, přinesla ji před Amnona bratra svého do pokojíka.)
10Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.
11Ale když mu podávala, aby jedl, uchopil ji a řekl jí: Poď, lež se mnou, sestro má.
11Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
12Kterážto řekla jemu: Nikoli, bratře můj, nečiň mi násilí, nebo ne tak se má díti v Izraeli. Neprovoď nešlechetnosti této.
12Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.[Heb. fahadalana]
13Nebo já na koho svedu pohanění své? Ty pak budeš jako jeden z nejnešlechetnějších v Izraeli. Raději tedy mluv medle s králem, nebo neodepřeť mne tobě.
13Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
14Ale nechtěl uposlechnouti hlasu jejího, nýbrž zmocniv se jí, učinil jí násilí a ležel s ní.
14Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
15Potom vzal ji Amnon v nenávist velikou velmi, tak že větší byla nenávist, kterouž nenáviděl jí, než milost, kterouž ji miloval. I řekl jí Amnon: Vstaň a jdi pryč.
15Ary dia halan'i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
16Kterážto odpověděla jemu: Za příčinou převelmi zlé věci té, kterouž jsi při mně spáchal, druhé horší se dopouštíš, že mne vyháníš. On pak nechtěl jí slyšeti.
16Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
17Ale zavolav mládence, kterýž mu přisluhoval, řekl: Vyveď hned tuto ode mne ven, a zamkni dvéře po ní.
17Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
18(Měla pak na sobě sukni proměnných barev, nebo v takových sukních chodívaly dcery královské panny.) A tak vyvedl ji ven služebník jeho a zamkl dvéře po ní.
18Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra]
19Tedy posypala Támar hlavu svou popelem, a sukni proměnných barev, kterouž měla na sobě, roztrhla; a vložila ruku na hlavu svou, a jduc, křičela s naříkáním.
19Ary nasian'i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
20I řekl jí Absolon bratr její: Nebyl-liž Amnon bratr tvůj s tebou? Ale nyní, sestro má mlč; bratr tvůj jest, nepřipouštěj toho k srdci. A tak zůstala Támar, jsuc opuštěná, v domě Absolona bratra svého.
20Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
21A uslyšev král David o těch všech věcech, rozhněval se náramně.
21Fa nony ren'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
22Absolon pak nic nemluvil s Amnonem, ani dobrého ani zlého; nebo nenáviděl Absolon Amnona, proto že učinil násilí Támar sestře jeho.
22Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny.
23I stalo se po celých dvou letech, když střihli ovce Absolonovi v Balazor, jenž jest podlé Efraim, že pozval Absolon všech synů královských.
23Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an'i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra izy.
24Nebo přišel Absolon k králi a řekl: Aj, nyní služebník tvůj má střižce; nechť, prosím, jde král a služebníci jeho s služebníkem tvým.
24Ary nankao amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
25I řekl král Absolonovi: Nechť, synu můj, nechť nyní nechodíme všickni, abychom tě neobtěžovali. A ačkoli nutkal ho, však nechtěl jíti, ale požehnal mu.
25Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
26Řekl ještě Absolon: Nechť aspoň s námi jde, prosím, Amnon bratr můj. Odpověděl jemu král: Proč by s tebou šel?
26Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
27A když vždy dotíral Absolon, poslal s ním Amnona i všecky syny královské.
27Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.
28Přikázal pak byl Absolon služebníkům svým, řka: Šetřte medle, když se rozveselí srdce Amnonovo vínem, a řeknu vám: Bíte Amnona, tedy zabíte jej. Nebojte se nic, nebo zdaliž jsem já nerozkázal vám? Posilňte se a mějte se zmužile.
28Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
29I učinili Amnonovi služebníci Absolonovi, jakž jim byl přikázal Absolon. Pročež vstavše všickni synové královi, vsedli jeden každý na mezka svého a utekli.
29Ary ny zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
30V tom když ještě byli na cestě, přišla taková pověst k Davidovi: Pobil Absolon všecky syny královské, tak že z nich ani jednoho nezůstalo.
30Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin'i Davida ny filazana hoe: novonoin'i Absaloma avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
31Tedy vstav král, roztrhl roucha svá a ležel na zemi; všickni také služebníci jeho stáli, roztrhše roucha.
31Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
32Ozval se pak Jonadab, syn Semmaa bratra Davidova, a řekl: Nepraviž toho, pane můj, jako by všecky mládence syny královy zbili, ale Amnon toliko zabit; nebo tak v úmysle Absolonově složeno bylo od toho dne, jakž on byl učinil násilí Támar sestře jeho.
32Ary Jonadaba, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i Tamara anabaviny.
33Protož nechať nepřipouští toho nyní pán můj král k srdci svému, mysle, že by všickni synové královi zbiti byli; nebo Amnon toliko umřel.
33Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
34Absolon pak utekl. Tedy pozdvih služebník hlásný očí svých, uzřel, an mnoho lidu jde odtud, kudyž se chodilo k němu cestou pod horami.
34Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra.
35I řekl Jonadab králi: Aj, synové královští přijíždějí. Vedlé řeči služebníka tvého tak se stalo.
35Ary hoy Jonadaba tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny nolazain'ny mpanomponao tokoa.
36A když přestal mluviti, aj, synové královští přišli, a pozdvihše hlasu svého, plakali; též také král i všickni služebníci jeho plakali pláčem velmi velikým.
36Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
37Absolon pak utekl a ušel k Tolmai synu Amiudovu, králi Gessur. I plakal David syna svého po všecky ty dny.
37Fa Absaloma nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
38Absolon tedy utíkaje, přišel do Gessur, a byl tam tři léta.
38Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an'i Davida mpanjaka tsy hivoaka hamely an'i Absaloma]
39Potom žádal David vyjíti k Absolonovi, nebo již byl oželel smrti Amnonovy.
39Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an'i Davida mpanjaka tsy hivoaka hamely an'i Absaloma]