1Tato jsou pak poslední slova Davidova: Řekl David syn Izai, řekl, pravím, muž, kterýž jest velice zvýšený, pomazaný Boha Jákobova, a libý v zpěvích Izraelských:
1[Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc]
2Duch Hospodinův mluvil skrze mne, a řeč jeho jazykem mým vynesena.
2Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako;
3Řekl mi Bůh Izraelský, mluvila skála Izraelská: Kdo panovati bude nad lidem, budeť spravedlivý, panující v bázni Boží.
3Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra;
4Rovně jako bývá světlo jitřní, když slunce vychází ráno bez oblaků, a jako mocí tepla a deště roste bylina z země:
4Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana.
5Tak zajisté dům můj před Bohem; nebo smlouvu věčnou učinil se mnou, kteráž všelijak upevněna a ostříhána bude. A toť jest všecko mé spasení a všeliká útěcha, že nic tak vzdělávati se nebude.
5Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
6Bezbožní pak všickni vypléněni budou jako trní, kteréž rukou bráno nebývá.
6Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy;
7Ale kdož by se ho chtěl dotknouti, vezme železo a žerď, aneb ohněm docela spálí je tu, kdež zrostlo.
7Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona]
8Tato jsou jména nejudatnějších Davidových: Jošeb Bašebet Tachmonský, přední z vůdců, jehož rozkoš byla s kopím pojednou udeřiti na osm set ku pobití jich.
8[Ny anaran'ny lehilahy maherin'i Davida] Ary izao no anaran'ny lehilahy maherin'i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben'ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
9A po něm Eleazar syn Dodi, syna Achochi, mezi třmi silnými, kteříž byli s Davidem, když se opovážili proti Filistinským shromážděným tam k boji, když již byli odtáhli muži Izraelští.
9Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo, zanak'i Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery teo amin'i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin'ny Isiraely;
10Ten vstav, bil Filistinské, až ustala ruka jeho a ostála se při meči. V ten den zajisté učinil Hospodin vysvobození veliké, tak že se lid za ním navrátil, toliko aby kořisti vzebral.
10dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan'ny tànany ka efa niraikitra tamin'ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin'izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan'ny olona azy.
11Po něm pak byl Samma syn Age Hararský. Nebo když se byli shromáždili Filistinští v hromadu tu, kdež bylo díl rolí poseté šocovicí, a lid utekl před Filistinskými:
11Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak'i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin'ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,[erva lenta]
12Tedy postavil se u prostřed dílu toho, a vysvobodil jej, a porazil Filistinské. I učinil Hospodin vysvobození veliké.
12dia nijanona teo afovoan'io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
13Sstoupili také ti tři z třidcíti předních, a přišli ve žni k Davidovi do jeskyně Adulam, když vojsko Filistinské leželo v údolí Refaim.
13Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin'ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin'i Davida tao amin'ny zohin'i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby teo amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
14(Nebo David tehdáž byl v pevnosti své, a osazený lid Filistinských byl u Betléma.)
14Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
15Zechtělo se pak Davidovi vody, a řekl: Ó by mi někdo dal píti vody z čisterny Betlémské, kteráž jest u brány!
15Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady!
16A protož probivše se ti tři udatní skrze vojsko Filistinských, navážili vody z čisterny Betlémské, kteráž byla u brány, kterouž nesli a donesli k Davidovi. On pak nechtěl jí píti, ale obětoval ji Hospodinu,
16Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tamin'ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah iny.
17A řekl: Nedejž mi toho, ó Hospodine, abych to učiniti měl. Zdaliž to není krev mužů těch, kteříž šli, opováživše se života svého? I nechtěl jí píti. To učinili ti tři silní.
17Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran'ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
18Potom Abizai bratr Joábův, syn Sarvie, byl přední mezi třmi, kterýž pozdvihl kopí svého proti třem stům, kteréž i pobil, a byl z těch tří nejslovoutnější.
18Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
19Z těch tří on jsa nejslavnější, byl knížetem jejich, a však oněm třem nebyl rovný.
19Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.
20Banaiáš také syn Joiadův, syn muže udatného, velikých činů, z Kabsael, ten porazil dva reky Moábské. Tentýž sstoupiv, zabil lva v jámě, když byl sníh.
20Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;[Heb. lionan'Andriamanitra]
21Ten také zabil muže Egyptského, muže ku podivení, a měl Egyptský v rukou kopí. I šel k němu s holí, a vytrh kopí z ruky toho Egyptského, zabil ho kopím jeho.
21ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
22To učinil Banaiáš syn Joiadův, kterýž také slovoutný byl mezi těmi třmi silnými.
22Izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
23A ač byl mezi třidcíti nejslavnější, však oněm třem se nevrovnal. I ustanovil ho David nad drabanty svými.
23Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
24Azael také bratr Joábův byl mezi třidcíti těmito: Elchanan syn Dodův Betlémský,
24Asahela, rahalahin'i Joaba, no anankiray amin'ny telo-polo, ary Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
25Samma Charodský, Elika Charodský,
25Sama Harodita, Elika Harodita,
26Chelez Faltický, Híra syn Ikeš Tekoitský,
26Heleza Paltita, Ira, zanak'Ikesy Tekoita,
27Abiezer Anatotský, Mebunnai Chusatský,
27Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita,
28Salmon Achochský, Maharai Netofatský,
28Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,
29Cheleb syn Baany Netofatský, Ittai syn Ribai z Gabaa synů Beniamin,
29Haleba, zanak'i Bana Netofatita, Itahy, zanak'i Ribay, avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina,
30Banaiáš Faratonský, Haddai od potoku Gás,
30Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy,
31Abialbon Arbatský, Azmavet Barechumský,
31Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita,
32Eliachba Salbonský, z synů Jasen Jonata,
32Eliaba Salbonita, tamin'ny zanak'i Jasena, Jonatana,
33Samma Hararský, Achiam syn Sárar Ararský,
33Sama Hararita, Ahiama, zanak'i Sarara Hararita,
34Elifelet syn Achasbai Machatského, Eliam syn Achitofelův Gilonský,
34Elifeleta, zanak'i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak'i Ahitofela Gilonita,
35Chezrai Karmelský, Farai Arbitský,
35Hezray Karmelita, Paray Arbita,
36Igal syn Nátanův z Soba, Báni Gádský,
36Jigala, zanak'i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,
37Zelek Ammonský, Nacharai Berotský, oděnec Joába syna Sarvie,
37Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
38Híra Itrejský, Gareb Itrejský,
38Ira Jitrita, Gareba Jitrita,Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan'izy rehetra.
39Uriáš Hetejský. Všech třidceti a sedm.
39Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan'izy rehetra.