Czech BKR

Malagasy

2 Samuel

3

1I trvala dlouho válka mezi domem Saulovým a domem Davidovým. David pak čím dále tím více se silil, ale dům Saulův čím dále tím se více umenšoval.
1[Ny nandrosoan'ny fanjakan'i Davida, sy ny nihenan'ny an'Isboseta kosa, ary ny nivadihan'i Abnera hanaraka an'i Davida, sy ny namonoan'i Joaba azy] Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa.
2I zrodili se Davidovi synové v Hebronu, z nichž prvorozený jeho byl Amnon z Achinoam Jezreelské;
2Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
3A druhý po něm Cheleab z Abigail, ženy někdy Nábale Karmelského; třetí pak Absolon, syn z Maachy dcery Tolmai krále Gessur;
3ary Kileaba, tamin'i Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora;
4A čtvrtý Adoniáš syn Haggit, a pátý Sefatiáš syn Abitál;
4ary ny fahefatra dia Adonia, zanak'i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak'i Abitala;
5Šestý pak Jetram z Egly manželky Davidovy. Ti se zrodili Davidovi v Hebronu.
5ary ny fahenina dia Jitreama, tamin'i Egla, vadin'i Davida. Ireo no naterak'i Davida tao Hebrona.
6I stalo se, když byla válka mezi domem Saulovým a mezi domem Davidovým, a Abner statečně zastával domu Saulova,
6Ary raha mbola niady ny tamingan'i Davida sy ny tamingan'i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin'ny tamingan'i Saoly.
7(Měl pak byl Saul ženinu, jejíž jméno bylo Rizpa, dcera Aja), že řekl Izbozet Abnerovi: I proč jsi všel k ženině otce mého?
7(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin'i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin'i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon'ikaky?
8Tedy rozhněvav se Abner velmi pro slova Izbozetova, řekl: I zdali já jsem psí hlava, kterýž jsem proti Judovi dnes učinil milosrdenství s domem Saule otce tvého, s bratřími jeho i příbuznými jeho, a nevydal jsem tě v ruku Davidovu, a však vyhledáváš na mně dnes nepravosti té ženy.
8Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?
9Toto učiň Bůh Abnerovi a toto mu přidej, jestliže nedopomohu k tomu Davidovi, jakož jemu přisáhl Hospodin,
9Hataon'Andriamanitra amin'i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan'i Jehovah tamin'i Davida,
10Aby přeneseno bylo království od domu Saulova, a upevněn byl trůn Davidův nad Izraelem i nad Judou, od Dan až do Bersabé.
10ka hampiala ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
11A nemohl k tomu nic více odpovědíti Abnerovi, proto že se ho bál.
11Dia tsy nahavaly an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
12A tak poslal Abner posly k Davidovi na místě svém, řka: Čí jest země? A aby řekli: Učiň smlouvu se mnou, a aj, ruka má bude s tebou, abych obrátil k tobě všecken Izrael.
12Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy]
13Jemuž odpověděl: Dobře. Jáť učiním s tebou smlouvu, a však jedné věci od tebe žádám, totiž, abys neviděl tváři mé, leč prvé dáš přivésti Míkol dceru Saulovu, když bys chtěl přijíti, abys viděl tvář mou.
13Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i Saoly.
14I poslal David posly k Izbozetovi synu Saulovu, aby řekli: Dej mi ženu mou Míkol, kterouž jsem sobě zasnoubil ve stu obřízek Filistinských.
14Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka]
15Poslav tedy Izbozet, vzal ji od muže Faltiele syna Lais.
15Ary Isboseta naniraka naka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny, zanak'i Laisy.
16Šel pak s ní muž její, a jda za ní až do Bahurim, plakal. Tedy řekl jemu Abner: Jdi, navrať se zase. I navrátil se.
16Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
17Potom Abner učinil řeč k starším Izraelským, řka: Předešle stáli jste o to, aby David byl králem nad vámi.
17Ary Abnera efa niteny tamin'ny loholon'ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an'i Davida ho mpanjakanareo;
18Protož nyní vykonejtež to; neboť jest Hospodin mluvil o Davidovi, řka: Skrze ruku Davida služebníka svého vysvobodím lid svůj Izraelský z ruky Filistinských, a z ruky všech nepřátel jeho.
18koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra.
19To též mluvil Abner i k Beniaminským. Potom odšel Abner, aby mluvil k Davidovi v Hebronu všecko, což se za dobré vidělo Izraelovi a všemu domu Beniamin.
19Ary Abnera efa niteny tamin'ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin'i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian'ny Isiraely sy ny taranak'i Benjamina rehetra hatao.
20Když tedy přišel Abner k Davidovi do Hebronu a s ním dvadceti mužů, učinil David Abnerovi i mužům, kteříž s ním byli, hody.
20Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
21I řekl Abner Davidovi: Vstanu a půjdu, abych shromáždil ku pánu svému králi všecken lid Izraelský, kteříž vejdou s tebou v smlouvu, a budeš kralovati nade všemi, jakož toho žádá duše tvá. I propustil David Abnera, kterýž odšel v pokoji.
21Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin'izay rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
22A aj, služebníci Davidovi a Joáb vraceli se z vojny, kořisti veliké s sebou nesouce. Ale Abnera již nebylo s Davidem v Hebronu, nebo byl ho propustil, a již odšel v pokoji.
22Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
23Joáb tedy i všecko vojsko, kteréž bylo s ním, přišli tam. I oznámili Joábovi, řkouce: Byl zde Abner syn Nerův u krále, ale propustil jej, a odšel v pokoji.
23Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
24Protož všed Joáb k králi, řekl: Co jsi učinil? Aj, přišel byl Abner k tobě; proč jsi ho pustil, aby zase odšel?
24Ary Joaba nankao amin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
25Znáš Abnera syna Nerova. Proto, aby podvedl tebe, přišel, a aby vyšpehoval vycházení tvé i vcházení tvé, a zvěděl všecko, co ty činíš.
25Fantatrao anefa ny amin'i Abnera, zanak'i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
26Tedy vyšed Joáb od Davida, poslal posly za Abnerem, kteříž ho přivedli zase od čisterny Sírach, o čemž David nic nevěděl.
26Dia nivoaka Joaba avy tao amin'i Davida ka naniraka olona hanaraka an'i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr'i Davida izany.
27A když se navrátil Abner do Hebronu, uvedl ho Joáb do prostřed brány, aby s ním mluvil tiše. I udeřil ho v páté žebro, a umřel pro krev Azaele bratra jeho.
27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i Asahela rahalahiny.
28To když potom David uslyšel, řekl: Čist jsem já i království mé před Hospodinem až na věky od krve Abnera syna Nerova.
28Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan'i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin'ny ran'i Abnera, zanak'i Nera.
29Nechať přijde na hlavu Joábovu i na všecken dům otce jeho, a nechť není prázden dům Joábův toho, jenž by trpěl tok, aneb malomocného a na hůl se podpírajícího, aneb padajícího od meče a nemajícího chleba.
29Hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin'izany; ary tsy ho tapaka amin'ny taranak'i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin'ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
30A tak Joáb a Abizai bratr jeho zamordovali Abnera, proto že byl zabil Azaele bratra jejich v Gabaon v bitvě.
30Toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera noho ny namonoany an'i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin'ny ady.
31I řekl David Joábovi a ke všemu lidu, kterýž byl s ním: Roztrhněte roucha svá, a přepašte se pytli, a plačte před Abnerem. Král pak David šel za márami.
31Ary hoy Davida tamin'i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan'i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.[Heb. lamba malailay]
32A když pochovávali Abnera v Hebronu, pozdvih král hlasu svého, plakal nad hrobem Abnerovým, plakal také všecken lid.
32Dia nandevina an'i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
33V tom naříkaje král pro Abnera, řekl: Tak-liž jest měl umříti Abner, jako umírá nějaký ničemný člověk?
33Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an'i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan'ny adala va no tokony ho nahafatesan'i Abnera?
34Ruce tvé nebyly svázány a nohy tvé měděnými poutami nebyly sevříny, ale padl jsi jako ten, kdož padá od lidí nešlechetných. Tedy ještě více všecken lid plakal nad ním.
34Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok'izay asian'ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
35Potom přišel všecken lid, a měli k tomu Davida, aby jedl chléb ještě záhy. Ale David přisáhl, řka: Toto ať mi učiní Bůh a toto přidá, jestliže prvé, než slunce zapadne, okusím chleba aneb čehokoli jiného.
35Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an'i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
36Což když poznal všecken lid, líbilo se jim to; a všecko, což činil král, líbilo se všemu lidu.
36Ary azon'ny vahoaka rehetra ny hevitr'izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon'ny mpanjaka.
37I poznal všecken lid a všecken Izrael v ten den, že nepošlo to od krále, aby zabili Abnera syna Nerova.
37Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin'izany andro izany fa tsy avy tamin'ny mpanjaka no nahafaty an'i Abnera, zanak'i Nera.
38Řekl pak král služebníkům svým: Nevíte-liž, že kníže, a veliké, padlo dnes v Izraeli?
38Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin'ny Isiraely?Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
39A já ještě nyní mdlý jsem, jakožto pomazaný král, muži pak tito, synové Sarvie, jsou mi nepovolní. Odplatiž Hospodin tomu, kdož zle činí, vedlé zlosti jeho.
39Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.