1Prosímeť pak vás, bratří, skrze příští Pána našeho Jezukrista a naše shromáždění v něj,
1[Fanitsiana ny hadisoan-kevitry ny sasany ny amin'ny andron'ny Tompo] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
2Abyste se nedali rychle vyrážeti z mysli, ani kormoutiti, buď skrze ducha, buďto skrze řeč, neb skrze list, jako od nás poslaný, jako by nastával den Kristův.
2mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo.
3Nesvodiž vás žádný nižádným obyčejem. Neboť nenastane den Páně, než až prve přijde odstoupení, a zjeven bude ten člověk hřícha, syn zatracení,
3Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
4Protivící a povyšující se nade všecko, což slove Bůh, anebo čemuž se děje Božská čest, takže se posadí v chrámě Božím, tak sobě počínaje, jako by byl Bůh.
4ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
5Nepomníte-liž, že ještě byv u vás, o tom jsem vám pravil?
5Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
6A nyní co mešká, víte, totiž aby on teprv zjeven byl časem svým.
6Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny.
7Nebo již tajemství nepravosti působí, toliko až by ten, jenž jej zdržuje nyní, z prostředku byl vyvržen.
7Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany. [ Na: kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy]
8A tehdážť zjeven bude ten bezbožník, kteréhož Pán zabije duchem úst svých a zkazí zjevením jasné přítomnosti své,
8Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; [ Na:(holevonin'ny Tompo)]
9Kteréhožto nešlechetníka příští jest podle mocného díla satanova, se vší mocí a divy i zázraky lživými,
9ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
10A se všelikým podvodem nepravosti v těch, jenž hynou, protože lásky pravdy nepřijali, aby spaseni byli.
10ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11A protož pošle jim Bůh mocné dílo podvodů, aby věřili lži,
11Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12A aby odsouzeni byli všickni, kteříž neuvěřili pravdě, ale oblíbili sobě nepravost.
12mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
13Myť pak jsme povinni děkovati Bohu vždycky z vás, bratří Pánu milí, že vyvolil vás Bůh od počátku k spasení, v posvěcení Ducha a u víře pravdy,
13[Fananarana sy fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
14K čemuž povolal vás skrze evangelium naše, k dojití slávy Pána našeho Jezukrista.
14sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika.
15A protož, bratří, stůjtež a držtež se učení vydaného, jemuž jste se naučili, buďto skrze řeč, buďto i skrze list náš.
15Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.
16On pak Pán náš Ježíš Kristus, a Bůh i Otec náš, kterýž zamiloval nás a dal nám potěšení věčné a naději dobrou z milosti,
16Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.
17Potěšujž srdcí vašich a utvrdiž vás v každém slovu i skutku dobrém.
17no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.