Czech BKR

Malagasy

Acts

6

1A v těch dnech, když se rozmnožovali učedlníci, stalo se reptání Řeků proti Židům proto, že by zanedbávány byly v přisluhování vezdejším vdovy jejich.
1[Ny nifidianana ny fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
2Tedy dvanácte apoštolů, svolavše množství učedlníků, řekli: Není slušné, abychom my, opustíce slovo Boží, přisluhovali stolům.
2Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
3Protož, bratří, vybeřte z sebe mužů sedm dobropověstných, plných Ducha svatého a moudrosti, jimž bychom poručili tu práci.
3Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4My pak modlitby a služby slova Páně pilni budeme.
4Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.
5I líbila se ta řeč všemu množství. I vyvolili Štěpána, muže plného víry a Ducha svatého, a Filipa, a Prochora, a Nikánora, a Timona, a Parména, a Mikuláše Antiochenského, k víře vnově obráceného.
5Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6Ty postavili před obličejem apoštolů, kteřížto pomodlivše se, vzkládali na ně ruce.
6ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
7I rostlo jest slovo Boží, a rozmáhal se počet učedlníků v Jeruzalémě velmi. Mnohý také zástup kněží poslouchal víry.
7Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8Štěpán pak, jsa plný víry a moci, činil divy a zázraky veliké v lidu.
8[Ny amin'i Stefana] Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.
9I povstali někteří z školy, kteráž sloula Libertinských, a Cyrenenských, a Alexandrinských, a těch, kteříž byli z Cilicie a Azie, hádajíce se s Štěpánem.
9Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana.
10A nemohli odolati moudrosti a Duchu Páně, kterýž mluvil.
10Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
11Tedy lstivě nastrojili muže, kteříž řekli: My jsme jej slyšeli mluviti slova rouhavá proti Mojžíšovi a proti Bohu.
11dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an'i Mosesy sy Andriamanitra ity. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]
12A tak zbouřili lid a starší i zákoníky, a obořivše se na něj, chytili jej, a vedli do rady.
12Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;
13I vystavili falešné svědky, kteříž řekli: Člověk tento nepřestává mluviti slov rouhavých proti místu tomuto svatému i proti Zákonu.
13ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;
14Nebo jsme slyšeli jej, an praví: Že ten Ježíš Nazaretský zkazí místo toto, a promění ustanovení, kteráž nám vydal Mojžíš.
14Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]
15A pilně patříce na něj všickni, kteříž seděli v radě, viděli tvář jeho, jako tvář anděla.
15Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]