Czech BKR

Malagasy

Acts

8

1Saul pak také přivolil k usmrcení jeho. I přišlo v ten čas veliké protivenství na církev, kteráž byla v Jeruzalémě, a všickni se rozprchli po krajinách Judských a Samařských, kromě apoštolů.
1Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2I pochovali Štěpána muži pobožní, a plakali velmi nad ním.
2Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.
3Saul pak hubil církev, do domů vcházeje, a jímaje muže i ženy, dával je do žaláře.
3Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
4Ti pak, kteříž se byli rozprchli, chodili, kážíce slovo Boží.
4Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
5A Filip všed do města Samaří, kázal jim Krista.
5Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.
6I pozorovali zástupové s pilností jednomyslně toho, což se pravilo od Filipa, slyšíce a vidouce divy, kteréž činil.
6Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.
7Nebo duchové nečistí z mnohých, kteříž je měli, křičíce hlasem velikým, vycházeli, a mnozí šlakem poražení a kulhaví uzdraveni jsou.
7Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8A stala se radost veliká v tom městě.
8Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.
9Muž pak nějaký, jménem Šimon, před tím v tom městě čáry provodil, a lid Samařský mámil, pravě se býti nějakým velikým.
9Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
10Na něhož pozor měli všickni, od nejmenšího až do největšího, říkajíce: Tentoť jest Boží moc veliká.
10ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
11Pozor pak měli na něho, protože je za mnohý čas mámil svými čáry.
11Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.
12A když, uvěřivše Filipovi zvěstujícímu o království Božím a o jménu Ježíše Krista, křtili se muži i ženy,
12Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13Tedy i ten Šimon také uvěřil, a pokřtěn byv, přídržel se Filipa, a vida zázraky a moci veliké činěné, děsil se.
13Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14Uslyšavše pak v Jeruzalémě apoštolé, že by Samaří přijala slovo Boží, poslali k nim Petra a Jana.
14Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
15Kteříž přišedše k nim, modlili se za ně, aby přijali Ducha svatého.
15Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
16(Nebo ještě byl na žádného z nich nesstoupil, ale pokřtěni toliko byli ve jménu Pána Ježíše.)
16Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy.
17Tedy vzkládali na ně ruce, a oni přijali Ducha svatého.
17Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.
18I uzřev Šimon, že skrze vzkládání rukou apoštolských dává se Duch svatý, přinesl jim peníze,
18Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy
19Řka: Dejte i mně tu moc, ať, na kohož bych koli vzložil ruce, přijme Ducha svatého.
19ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.
20I řekl k němu Petr: Peníze tvé buďtež s tebou na zatracení, protože jsi se domníval, že by dar Boží mohl býti zjednán za peníze.
20Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.
21Nemáš dílu ani losu v této věci; nebo srdce tvé není upřímé před Bohem.
21Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.
22Protož čiň pokání z této své nešlechetnosti, a pros Boha, zda by odpuštěno bylo tobě to myšlení srdce tvého.
22Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.
23Nebo v žluči hořkosti a v svazku nepravosti tebe býti vidím.
23Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
24I odpověděv Šimon, řekl: Modltež vy se za mne Pánu, aby na mne nepřišlo něco z těch věcí, kteréž jste mluvili.
24Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
25Oni pak osvědčovavše a mluvivše slovo Páně, navrátili se do Jeruzaléma, a ve mnohých městečkách Samaritánských kázali evangelium.
25Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.
26V tom anděl Páně mluvil k Filipovi, řka: Vstaň a jdi ku polední straně na cestu, kteráž vede od Jeruzaléma do města Gázy, kteréž jest pusté.
26Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
27A on vstav, i šel. A aj, muž Mouřenín, kleštěnec, komorník královny Mouřenínské Kandáces, kterýž vládl všemi poklady jejími, a byl přijel do Jeruzaléma, aby se modlil,
27Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
28Již se navracoval zase, sedě na voze svém, a četl Izaiáše proroka.
28dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany
29I řekl Duch k Filipovi: Přistup a přiviň se k vozu tomu.
29Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.
30A přiběh Filip, slyšel jej, an čte Izaiáše proroka. I řekl: Rozumíš-liž, co čteš?
30Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
31A on řekl: Kterakž bych mohl rozuměti, leč by mi kdo vyložil? I prosil Filipa, aby vstoupil na vůz, a seděl s ním.
31Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [ Gr. mitari-dalana]
32Místo pak toho Písma, kteréž četl, toto bylo: Jako ovce k zabití veden jest, a jako beránek němý před tím, kdož jej střiže, tak neotevřel úst svých.
32Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;
33V ponížení jeho odsouzení jeho vyhlazeno jest, rod pak jeho kdo vypraví, ačkoli zahlazen byl z země život jeho?
33Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [ Na: ny fianakaviany]
34A odpovídaje komorník Filipovi, dí: Prosím tebe, o kom toto mluví prorok? Sám-li o sobě, čili o někom jiném?
34Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
35Tedy otevřev Filip ústa svá, a počav od toho Písma, zvěstoval jemu Ježíše.
35Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy.
36A když jeli cestou, přijeli k jedné vodě. I řekl komorník: Aj, teď voda. Proč nemám býti pokřtěn?
36Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
37I řekl Filip: Věříš-li celým srdcem, slušíť. A on odpověděv, řekl: Věřím, že Ježíš Kristus jest Syn Boží.
37[ Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]
38I rozkázal státi vozu, a sstoupili oba do vody, i Filip i komorník. I pokřtil ho.
38Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
39A když vystoupili z vody, Duch Páně pochopil Filipa, a neviděl ho více komorník; i jel cestou svou, raduje se.
39Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
40Filip pak nalezen jest v Azotu; a chodě, kázal evangelium všem městům, až přišel do Cesaree.
40Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.