1Slyšte slovo toto, ó krávy Bázanské, kteréž jste na horách Samařských, kteréž nátisk činíte chudým, a potíráte nuzné, kteréž říkáte pánům jejich: Přineste, ať pijeme.
1[Ny hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka] Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na vadiny]
2Přisáhl Panovník Hospodin skrze svatost svou, že aj, dnové jdou na vás, v nichž vezme vás na háky, a potomky vaše na udice rybářské.
2Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.
3I vyjdete mezerami, každá tak, jakž stojí, a budete rozhazovati, což na palácích, dí Hospodin.
3Ary avy eo amin'ny banga no hivoahanareo, samy amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.[Na: an-tranobe][Na: ary harianareo ny fahefana (?)]
4Jdětež do Bethel, a buďtež poběhlci Galgala, rozmnožujte převrácenost, a přinášejte každého jitra oběti své, třetího roku desátky své.
4Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
5A pálíce obět chvály z kvašených věcí, provolejte i oběti dobrovolné, a rozhlaste, poněvadž se vám tak líbí, ó synové Izraelští, dí Panovník Hospodin.
5Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
6A ačkoli já dal jsem vám čistotu zubů po všech městech vašich, totiž nedostatek chleba na všech místech vašich, a však jste se ke mně neobrátili, dí Hospodin.
6Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
7Já také zadržel jsem vám déšť, když ještě tři měsícové byli do žně, a dštil jsem na jedno město, a na druhé město jsem nedštil; jeden díl deštěm svlažen byl, a ten díl, na kterýž nepršelo, uschl.
7Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8A toulali se dvě i tři města k jednomu městu, aby se napili vody, aniž se napiti mohli, a však jste se neobrátili ke mně, dí Hospodin.
8Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
9Bil jsem vás suchem a rzí; hojnost, kterouž přinášely zahrady vaše a vinice vaše, i fíkoví vaše, i olivoví vaše, pojedly housenky, a však jste se neobrátili ke mně, dí Hospodin.
9Efa nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan'ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin'ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. [Heb. mpikiky]
10Poslal jsem na vás mor tak jako na Egypt, zbil jsem mečem mládence vaše, v zajetí jsem vydal koně vaše, a učinil jsem, že vstupoval smrad vojsk vašich i v chřípě vaše, a však jste se neobrátili ke mně, dí Hospodin.
10Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
11Podvrátil jsem vás, jako podvrátil Bůh Sodomu a Gomoru, tak že jste byli jako hlavně vychvácená z ohně, vždy však neobrátili jste se ke mně, dí Hospodin.
11Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
12A protož takť učiním, ó Izraeli, a poněvadž takť učiniti míním, připraviž se vstříc Bohu svému, ó Izraeli.
12Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô.Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
13Nebo aj, on jest sformovatel hor a stvořitel větrů, a oznamuje člověku, jaké by bylo jeho myšlení; činí z záře jitřní tmu, a šlapá po vysokostech země. Hospodin Bůh zástupů jest jméno jeho.
13Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.