1Když pak přijdou na tě všecka slova tato, požehnání i zlořečenství, kterážť jsem předložil, a rozpomeneš se v srdci svém, kdež bys koli byl mezi národy, do kterýchž by tě rozehnal Hospodin Bůh tvůj,
1Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,
2A obrátě se k Hospodinu Bohu svému, poslouchal bys hlasu jeho ve všem, jakž já přikazuji tobě dnes, ty i synové tvoji, z celého srdce svého a ze vší duše své:
2ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
3Tehdy přivede zase Hospodin Bůh tvůj zajaté tvé a smiluje se nad tebou, a obrátě se, shromáždí tě ze všech národů, mezi něž rozptýlil tě Hospodin Bůh tvůj.
3dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
4Byť pak někdo z tvých i na konec světa zahnán byl, odtud zase shromáždí tě Hospodin Bůh tvůj, a odtud půjme tě,
4Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
5A uvede tě zase Hospodin Bůh tvůj do země, kterouž dědičně vládli otcové tvoji, a opanuješ ji, a dobřeť učiní a rozmnoží tě více nežli otce tvé.
5Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
6A obřeže Hospodin Bůh tvůj srdce tvé a srdce semene tvého, abys miloval Hospodina Boha svého z celého srdce svého, a ze vší duše své, abys živ byl.
6Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
7Všecka pak zlořečenství tato obrátí Hospodin Bůh tvůj na nepřátely tvé a na ty, jenž v nenávisti měli tebe, a protivili se tobě.
7Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
8Ty tedy obrátě se, když poslouchati budeš hlasu Hospodina Boha svého, a činiti všecka přikázaní jeho, kteráž já tobě dnes přikazuji:
8Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
9Dáť Hospodin Bůh tvůj prospěch při všem díle rukou tvých, v plodu života tvého i v plodu dobytka tvého, a v úrodách země tvé, tobě k dobrému. Nebo zase veseliti se bude Hospodin z tebe, dobře čině tobě, jakož veselil se z otců tvých,
9Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,
10Jestliže bys však poslouchal hlasu Hospodina Boha svého, a ostříhal přikázaní jeho a ustanovení jeho, napsaných v knize zákona tohoto, když bys se obrátil k Hospodinu Bohu svému celým srdcem svým a celou duší svou.
10raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
11Nebo přikázaní toto, kteréž přikazuji tobě dnes, není skryté před tebou, ani vzdálené od tebe.
11Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
12Není na nebi, abys řekl: Kdo nám vstoupí do nebe, aby vezma, přinesl a oznámil je nám, abychom je plnili?
12Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
13Ani za mořem jest, abys řekl: Kdo se nám přeplaví za moře, aby je přinesl a oznámil nám, abychom plnili je?
13Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
14Ale velmi blízko tebe jest slovo, v ústech tvých a v srdci tvém, abys činil to:
14Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
15(Hle, předložil jsem tobě dnes život a dobré, smrt i zlé),
15Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
16Což já přikazuji tobě dnes, abys miloval Hospodina Boha svého, chodě po cestách jeho a ostříhaje přikázaní jeho, ustanovení a soudů jeho, abys živ jsa, rozmnožen byl, a požehnal tobě Hospodin Bůh tvůj v zemi, do kteréž jdeš, abys ji dědičně obdržel.
16tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
17Pakli se odvrátí srdce tvé, a nebudeš poslouchati, ale přiveden jsa k tomu, klaněti se budeš bohům cizím a jim sloužiti:
17Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
18Ohlašuji vám dnes, že jistotně zahynete, aniž prodlíte dnů svých v zemi, do kteréž se přes Jordán béřeš, abys ji dědičně obdržel.
18dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
19Osvědčuji proti tobě dnes nebem a zemí, žeť jsem život i smrt předložil, požehnání i zlořečenství; vyvoliž sobě tedy život, abys živ byl ty i símě tvé,
19Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
20A miloval Hospodina Boha svého, poslouchaje hlasu jeho a přídrže se jeho, (nebo on jest život tvůj, a dlouhost dnů tvých), abys bydlil v zemi, kterouž s přísahou zaslíbil Hospodin otcům tvým Abrahamovi, Izákovi a Jákobovi, že jim ji dá.
20dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.