1Toto pak jest požehnání, kterýmž požehnal Mojžíš, muž Boží, synů Izraelských před svou smrtí,
1[Ny tso-drano nataon'i Mosesy tamin'ny firenen'Isiraely] Ary izao no tso-drano nataon'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
2A řekl: Hospodin z Sinai přišel, a vzešel jim z Seir, zastkvěl se s hory Fáran, a přišel s desíti tisíci svatých, z jehožto pravice oheň zákona svítil jim.
2Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin'ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn'afo ho an'ireo.
3Jak velice miluješ lidi! Všickni svatí jeho jsou v ruce tvé, oni také přivinuli se k nohám tvým, vezmouť prospěch z výmluvností tvých.
3Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan'ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin'ny teninao.
4Zákon vydal nám Mojžíš, dědičný shromáždění Jákobovu,
4Lalàna no nandidian'i Mosesy antsika Ho lovan'ny fiangonan'i Jakoba.
5(Nebo byl v Izraeli jako král), když přední z lidu shromáždili se, i všecka pokolení Izraelská.
5Ary tonga mpanjakan'i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben'ny vahoaka Sy ny firenen'Isiraely rehetra.
6Buď živ Ruben a neumírej, a muži jeho ať jsou bez počtu.
6Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
7Tolikéž požehnal i Judovi a řekl: Vyslyš, Hospodine, hlas Judův, a k lidu svému jej sprovozuj; ruce jeho budou bojovati za něj, a ty jemu spomáhati budeš proti nepřátelům jeho.
7Ary ny amin'i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon'i Joda, Ka ento ho amin'ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
8O Léví také řekl: Thumim tvé a urim tvé bylo, Pane, při muži svatém tvém, kteréhož jsi zkusil v pokušení, a kterýž podlé tebe měl nesnáz při vodách Meribah,
8Ary ny amin'i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin'ny olonao masina. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba,
9Kterýž řekl otci svému a matce své: Neohlédám se na vás; a bratří svých neznal, a o synech svých nevěděl; nebo ostříhají výmluvností tvých, a smlouvu tvou zachovávají.
9Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
10Vyučovati budou soudům tvým Jákoba, a zákonu tvému Izraele, a klásti budou kadidlo před tváří tvou, a obět zápalnou na oltáři tvém.
10Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao'izy Sy fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaranao.
11Požehnejž, Hospodine, rytěřování jeho, a v práci rukou jeho zalib se tobě. Zlomuj ledví nepřátel jeho a těch, kteříž ho nenávidí, aby nepovstali.
11Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan'ny tànany; Asio mafy ny valahan'izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
12A o Beniaminovi řekl: Milý jest Hospodinu, bezpečně s ním bydliti bude; ochraňovati jej bude každého dne, a mezi rameny jeho přebývati.
12Ary ny amin'i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan'i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
13O Jozefovi pak řekl: Požehnaná země jeho od Hospodina pro nejlepší věci nebeské, pro rosu a vrchoviště zespod se prýštící,
13Ary ny amin'i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ny taniny Amin'ny zava-tsoan'ny lanitra, dia amin'ny ando, Ary amin'ny rano lalina mamitsaka any ambany,
14A pro nejlepší úrody sluncem vyzralé, a pro nejlepší věci časem měsíců došlé,
14Ary amin'ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,
15I pro rozkoše hor nejstarších, a pro rozkoše pahrbků věčných,
15Ary amin'ny zava-malaza avy amin'ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin'ny havoana mandrakizay
16Pro nejlepší věci země i plnost její, vyplývající z milosti ve kři přebývajícího. Přijdiž to požehnání na hlavu Jozefovu, a na vrch hlavy odděleného z jiných bratří jeho.
16Mbamin'ny zava-tsoan'ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan'Izay nitoetra tao amin'ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan'i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
17Prvorozeného, vola toho krása veliká bude, a rohové jednorožce rohové jeho, jimiž on trkati bude národy napořád až do končin země. A toť jsou mnozí tisícové Efraimovi a tisícové Manassesovi.
17Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.
18O Zabulonovi také řekl: Vesel se Zabulon u vycházení svém, a Izachar v staních svých.
18Ary ny amin'i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin'izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.
19Lidi na horu Boží svolají, a budou obětovati oběti spravedlnosti; nebo hojnost mořskou ssáti budou, a skryté poklady v písku.
19Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren'ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.
20Gádovi pak řekl: Požehnaný, kterýž rozšiřuje Gáda. Onť jakožto lev bydliti bude, a uchvátí rameno i s hlavou.
20Ary ny amin'i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an'i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin'ny tampon-doha.
21Kterýž opatřil ho prvotinami; nebo tam podílem skrze vydavatele zákona ubezpečen jest. Protož pobéřeť se s knížaty lidu, a spravedlnost Hospodinovu i soudy jeho s Izraelem vykonávati bude.
21Nizaha izay tsara indrindra ho an'ny tenany izy, Fa teo ny anaran'ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin'ny lohan'ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan'i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin'ny Isiraely.
22O Danovi pak řekl: Dan jako lvíče lvové vyskakovati bude z Bázan.
22Ary ny amin'DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
23A Neftalímovi řekl: Ó Neftalíme, sytý přízní Páně, plný požehnání Hospodinova, západní a polední stranu přijmi za dědictví.
23Ary ny amin'i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian'i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.
24O Asserovi také řekl: Asser požehnaný nad jiné syny, budeť milý bratřím svým, omočí v oleji nohu svou.
24Ary ny amin'i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin'ny diloilo.
25Železo a měď pod šlepějemi tvými; pokudž trvati budou dnové tvoji, slovoutný budeš.
25Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao.
26Neníť žádného, jako Bůh silný, ó Izraeli, kterýž se vznáší na nebesích ku pomoci tobě, a u velebnosti své na oblacích nejvyšších.
26Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin'ny voninahiny.
27Ochrana tvá buď Bůh věčný, a zespod ramena věčnosti, kterýž vyžene nepřátely před tebou, aneb řekne: Vyhlaď je,
27Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
28Aby sám bezpečně bydlil Izrael, rodina Jákobova, a to v zemi obilím a vínem oplývající, jehož nebesa také i rosu vydávati budou.
28Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon'i Jakoba Ao amin'ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
29Blahoslavený jsi, Izraeli. Kdo jest podobný tobě, lide vysvobozený skrze Hospodina, jenž jest pavéza spomožení tvého a meč důstojnosti tvé? Tvoji zajisté nepřátelé poníženi budou, ale ty po všech vyvýšenostech jejich šlapati budeš.
29Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.