1Slyš, Izraeli, ty přejdeš dnes přes Jordán, abys vejda, dědičně vládl národy většími a silnějšími, než jsi ty, městy velikými a ohrazenými až k nebi,
1[Anatra ny amin'ny tsi-fanamarinan-tena] MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
2Lidem velikým a vysokým, syny Enakovými, o kterýchž víš, a o kterýchž jsi slyšel praviti: Kdo se postaví proti synům Enakovým?
2dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan'ny taranak'i Anàka?
3Protož věziž dnes, že Hospodin Bůh tvůj, kterýž jde před tebou, jest jako oheň spalující. On vyhladí je, a on sníží je před tebou; i vyženeš je a vyhladíš je rychle, jakož mluvil tobě Hospodin.
3Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain'i Jehovah taminao.
4Neříkejž v srdci svém, když by je zapudil Hospodin Bůh tvůj od tváři tvé, řka: Pro spravedlnost mou uvedl mne Hospodin, abych dědičně obdržel zemi tuto, tak jako pro bezbožnost národů těch Hospodin vyhnal je od tváři tvé.
4Ary rehefa voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran'i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao.
5Ne pro spravedlnost svou a pravost srdce svého ty jdeš, abys dědičně obdržel zemi jejich, ale pro bezbožnost národů těch Hospodin Bůh tvůj vyhání je od tváři tvé, a aby splnil slovo, kteréž s přísahou zaslíbil otcům tvým, Abrahamovi, Izákovi a Jákobovi.
5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
6Protož věziž, že ne pro spravedlnost tvou Hospodin Bůh tvůj dává tobě zemi tu výbornou, abys dědičně držel ji, poněvadž jsi lid tvrdé šíje.
6Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
7Pamatujž a nezapomínej, že jsi k hněvu popouzel Hospodina Boha svého na poušti; hned od toho dne, když jsi vyšel z země Egyptské, až jste přišli na místo toto, odporni jste byli Hospodinu.
7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an'i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin'ny andro nialanao tany amin'ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity dia mbola niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo.
8Také i na Orébě popudili jste k hněvu Hospodina, a rozhněval se na vás Hospodin, aby vás shladil.
8Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
9Když jsem vstoupil na horu, abych vzal dsky kamenné, dsky smlouvy, kterouž učinil s vámi Hospodin, tehdáž jsem trval na hoře čtyřidceti dní a čtyřidceti nocí, chleba nejeda a vody nepije.
9Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
10I dal mi Hospodin dvě dsky kamenné, psané prstem Božím, na nichž byla všecka ta slova, kteráž mluvil vám Hospodin na hoře z prostředku ohně v den shromáždění.
10dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana.
11Po skonání pak čtyřidceti dnů a čtyřidceti nocí dal mi Hospodin dvě dsky kamenné, dsky smlouvy.
11Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
12I řekl mi Hospodin: Vstana, sstup rychle odsud, nebo poškvrnil se lid tvůj, kterýž jsi vyvedl z Egypta; sešli brzy s cesty, kterouž jsem jim přikázal, a učinili sobě slitinu.
12Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
13Mluvil také Hospodin ke mně, řka: Viděl jsem lid ten, a jistě lid tvrdošijný jest.
13Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
14Pusť mne, ať je setru, a zahladím jméno jejich pod nebem, tebe pak učiním v národ větší a silnější, nežli jest tento.
14Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
15Tedy obrátiv se, sstoupil jsem s hory, (hora pak hořela ohněm), dvě dsky smlouvy maje v obou rukou svých.
15Dia nihodina aho ka nidina niala tamin'ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.
16Když jsem pak pohleděl a uzřel jsem, že jste zhřešili Hospodinu Bohu vašemu, udělavše sobě tele lité, (brzy jste byli sešli s cesty, kterouž přikázal vám Hospodin):
16Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin'ny lalana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.
17Pochytiv ty dvě dsky, povrhl jsem je z obou rukou svých, a polámal jsem je před očima vašima.
17Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
18A padna, ležel jsem před Hospodinem jako i prvé, čtyřidceti dní a čtyřidceti nocí, chleba nejeda a vody nepije, pro všecky hříchy vaše, kterýmiž jste byli zhřešili, činíce to, což zlého jest před očima Hospodinovýma, a popouzejíce jeho.
18Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
19Nebo bál jsem se prchlivosti a hněvu, kterýmž se byl popudil Hospodin proti vám, aby zahladil vás, a uslyšel mne Hospodin i tehdáž.
19Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin'izany andro izany.
20Na Arona též rozhněval se byl Hospodin náramně, tak že ho zahladiti chtěl; tedy modlil jsem se také za Arona téhož času.
20Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an'i Arona koa aho tamin'izany andro izany.
21Hřích pak váš, kterýž jste byli učinili, totiž tele, vzav, spálil jsem je ohněm a zdrobil jsem je, tluka je dobře, dokudž nebylo setříno na prach. Potom vsypal jsem prach jeho do potoka, kterýž tekl s té hory.
21Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin'ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin'ny renirano izay midina avy amin'ny tendrombohitra.
22Ano i v Tabbera a v Massah a v Kibrot Hattáve popouzeli jste Hospodina k hněvu.
22Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an'i Jehovah.
23A když vás poslal Hospodin z Kádesbarne, řka: Vstupte a opanujte zemi tu, kterouž jsem vám dal, odporni jste byli řeči Hospodina Boha svého, a nevěřili jste jemu, aniž jste uposlechli hlasu jeho.
23Ary raha nampandehanin'i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
24Odporni jste byli Hospodinu od toho dne, jakž jsem vás poznal.
24Eny, niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo hatramin'ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
25A padna, ležel jsem před Hospodinem čtyřidceti dní a čtyřidceti nocí, v nichž jsem rozprostíral se; nebo řekl Hospodin, že vás chce zahladiti.
25Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain'i Jehovah fa handringana anareo Izy.
26I modlil jsem se Hospodinu, řka: Panovníče Hospodine, nezatracujž lidu svého, a to dědictví svého, kteréž jsi vykoupil velikomocností svou, kteréž jsi vyvedl z Egypta v ruce silné.
26Dia nifona tamin'i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tananao mahery.
27Rozpomeniž se na služebníky své, Abrahama, Izáka a Jákoba; nepatřiž na tvrdost lidu tohoto, na bezbožnost jeho a na hříchy jeho,
27Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran'ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
28Aby neřekli obyvatelé země té, z níž jsi nás vyvedl: Proto že nemohl Hospodin uvésti jich do země, kterouž zaslíbil jim, aneb že je měl v nenávisti, vyvedl je, aby je pobil na poušti.
28fandrao izay monina amin'ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
29Však oni jsou lid tvůj a dědictví tvé, kteréž jsi vyvedl v síle své veliké a v rameni svém vztaženém.
29Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.