Czech BKR

Malagasy

Exodus

12

1Mluvil pak Hospodin k Mojžíšovi a k Aronovi v zemi Egyptské, řka:
1[Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2Tento měsíc počátek měsíců vám bude; první vám bude mezi měsíci ročními.
2Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
3Mluvte ke všemu shromáždění Izraelskému, řkouce: Desátého dne měsíce tohoto vezmete sobě jeden každý beránka po čeledech, beránka na každý dům.
3Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano;
4Byl-li by pak dům tak malý, že by s beránka býti nemohl, přivezme souseda svého, kterýž jest blízký domu jeho, podlé počtu duší; jeden každý počte tolik osob, kolikž by jich snísti mohlo beránka.
4ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.
5Beránka bez vady, samce ročního míti budete, kteréhož z ovcí aneb z koz vezmete.
5Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy;
6A chovati ho budete až do čtrnáctého dne měsíce tohoto; a zabije ho všecko množství shromáždění Izraelského k večerou.
6ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
7A vezmouce krve, pomaží obou veřejí a nade dveřmi u domů, v nichž jej jísti budou.
7Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy.
8I budou jísti noci té maso pečené ohněm, s chleby přesnými; s bylinami hořkými jísti jej budou.
8Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.
9Nebudete jísti z něho nic surového ani v vodě vařeného, ale pečené ohněm, s hlavou jeho i s nohami a droby.
9Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
10Nezanecháte z něho ničehož do jitra; pakli by co pozůstalo z něho až do jitra, ohněm spálíte.
10Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
11Takto jej pak jísti budete: Bedra svá přepásaná míti budete, obuv svou na nohách svých a hůl svou v ruce své, a jísti budete s chvátáním; nebo Jití jest Hospodinovo.
11Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.
12V tu noc zajisté půjdu po zemi Egyptské, a budu bíti všecko prvorozené v zemi Egyptské, od člověka až do hovada, a nade všemi bohy Egyptskými učiním soud: Já Hospodin.
12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
13Krev pak ta na domích, v nichž budete, budeť vám na znamení; a když uzřím krev, pominu vás, a nebude mezi vámi rána zahubující, když bíti budu prvorozené v zemi Egyptské.
13Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
14A budeť vám den ten na památku, a slaviti jej budete slavný Hospodinu po rodech svých; právem věčným slaviti jej budete.
14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
15Za sedm dní přesné chleby jísti budete, a hned prvního dne vyprázdníte kvas z domů vašich; nebo kdožkoli jedl by co kvašeného od prvního až do sedmého dne, vyhlazena bude duše ta z Izraele.
15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely.
16A v den první budeť shromáždění svaté; dne také sedmého shromáždění svaté míti budete. Žádného díla nebude děláno v nich; toliko čehož se užívá k jídlu od každého, to samo připraveno bude od vás.
16Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
17A ostříhati budete přesnic, nebo v ten den vyvedl jsem vojska vaše z země Egyptské; protož zachovávati budete den ten po rodech svých právem věčným.
17Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
18Prvního měsíce, čtrnáctého dne téhož měsíce, u večer jísti budete chleby přesné, až do dne jedenmecítmého téhož měsíce k večerou.
18Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana.
19Za sedm dní nebude nalezeno kvasu v domích vašich; nebo kdo by koli jedl něco kvašeného, vyhlazena bude duše ta z shromáždění Izraelského, tak příchozí jako zrozený v zemi.
19Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
20Nic kvašeného jísti nebudete, ale ve všech příbytcích vašich jísti budete chleby přesné.
20Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin'izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
21Tedy svolal Mojžíš všecky starší Izraelské, a řekl jim: Vybeřte a vezměte sobě beránka po čeledech svých, a zabíte Fáze.
21Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
22Vezmete také svazček yzopu, a omočíte v krvi, kteráž bude v medenici, a pomažete nade dveřmi a na obou veřejích tou krví, kteráž bude v nádobě; z vás pak žádný nevycházej ze dveří domu svého až do jitra.
22Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro.
23Neboť půjde Hospodin, aby bil Egypt, a kde uzří krev nade dveřmi a na obou veřejích, přeskočí Hospodin ty dvéře, aniž dopustí zhoubci vjíti do domů vašich k hubení.
23Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
24Protož ostříhati budete věci této za ustanovení tobě i synům tvým až na věky.
24Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an'ny taranakareo mandrakizay.
25A když vejdete do země, kterouž dá Hospodin vám, jakž zaslíbil, zachovávati budete službu tuto.
25Ary rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
26Když by pak řekli vám synové vaši: Jaká jest to služba vaše?
26Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao?
27Tedy díte: Obět Fáze toto jest Hospodinu, kterýž pominul domů synů Izraelských v Egyptě, když bil Egypt, domy pak naše vysvobodil. A lid sklonivše hlavy, poklonu učinili.
27dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
28A rozšedše se synové Izraelští, učinili, jakž byl Hospodin přikázal Mojžíšovi a Aronovi; tak a nejinak učinili.
28Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
29Stalo se pak o půlnoci, pobil Hospodin všecko prvorozené v zemi Egyptské, od prvorozeného Faraonova, kterýž seděti měl na stolici jeho, až do prvorozeného vězně, kterýž byl v žaláři, i všecko prvorozené hovad.
29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
30Tedy vstal Farao noci té, a všickni služebníci jeho i všickni Egyptští, a vzešel křik veliký v Egyptě; nebo žádného nebylo domu, v němž by nebylo něčeho mrtvého.
30Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
31A povolav Mojžíše a Arona v noci, řekl: Vstaňte, vyjděte z prostředku lidu mého, i vy i synové Izraelští, a odejdouce, služte Hospodinu, jakž jste mluvili.
31Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo.
32Ovce také vaše i voly vaše vezměte, jakž jste žádali, a jděte; a dejte mi také požehnání.
32Ary ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
33I nutkali Egyptští lid, aby co nejrychleji vyšli z země; nebo pravili: Všickni již teď zemřeme.
33Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
34Protož vzal lid těsto své, prvé než zkysalo, obaliv je v šaty své, na ramena svá.
34Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.
35Učinili pak synové Izraelští podlé rozkazu Mojžíšova; nebo vyžádali byli od Egyptských klínotů stříbrných a zlatých, i šatů.
35Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.
36A Hospodin dal milost lidu před očima Egyptských, tak že půjčovali jim. I obloupili Egyptské.
36Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
37Tedy táhli synové Izraelští z Ramesses k Sochot, okolo šestkrát sto tisíc pěších, mužů toliko kromě dětí.
37Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
38Ano také jiného lidu mnoho vyšlo s nimi, ovec také a volů, dobytka velmi mnoho.
38Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy omby, dia fananana be indrindra.
39I napekli z těsta, kteréž vynesli z Egypta, koláčů nekvašených; nebo ještě bylo nezkynulo, proto že vypuzeni byli z Egypta, a nemohli prodlévati, a ani pokrmů na cestu nepřipravili sobě.
39Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
40Čas pak bydlení synů Izraelských, kteříž byli v Egyptě, byl čtyři sta a třidceti let.
40Ary ny andro nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
41A když se vyplnilo čtyři sta a třidceti let, právě toho dne vyšla všecka vojska Hospodinova z země Egyptské.
41Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.
42Noc tato pilně ostříhána býti má Hospodinu, v níž vyvedl je z země Egyptské; tať tedy noc Hospodinova ostříhána bude ode všech synů Izraelských po národech jejich.
42Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.
43I řekl Hospodin Mojžíšovi a Aronovi: Tentoť bude řád při slavnosti Fáze: Žádný cizozemec nebude jísti z něho.
43Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
44Každý pak služebník váš za stříbro koupený, když by obřezán byl, teprv jísti bude z něho.
44Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
45Příchozí a nájemník nebude jísti z něho.
45Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
46V témž domě jísti jej budeš, nevyneseš z domu ven masa jeho; a kostí v něm nezlámete.
46Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
47Všecko shromáždění Izraelské tak s ním učiní.
47Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
48Jestliže by pak cizozemec bydlil s tebou pohostinu, a slaviti by chtěl Fáze Hospodinu, prvé obřezán bude každý pohlaví mužského; a tehdy přistoupí k slavení jeho, a bude jako tu v zemi zrozený; žádný pak neobřezaný nebude jísti z něho.
48Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
49Jednostejné právo bude tu zrodilému a příchozímu, kterýž jest pohostinu u prostřed vás.
49Lalàna iray no ho amin'ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
50Tedy učinili všickni synové Izraelští, jakž přikázal Hospodin Mojžíšovi a Aronovi; tak učinili.
50Dia nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.Ary tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
51A tak stalo se právě toho dne, že vyvedl Hospodin syny Izraelské z země Egyptské s vojsky jejich.
51Ary tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.